Izaia 46 - Malagasy Catholic Bible

Hirodana i Bela

1Mirodana i Bela, miletsy i Nebô;

ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny.

Ireo sampy izay nentinao dia ataingina

toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.

2Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy;

tsy nahavonjy ny entana izy;

lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.

3«Mihainoa ahy, ry taranak’i Jakôba,

mbaminareo sisa rehetra amin’ny taranak’i Israely;

ianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka,

nentiko hatrany an-kibon-dreninareo.

4Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo,

fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo.

Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo;

hanohana anareo sy hanafaka anareo.»

Tsy misy mitovy amin’i Iaveh

5Hampitahainareo amin’iza Aho, ary ataonareo sahala amin’iza?

Hampitahafinareo amin’iza Aho ka hitovy izahay?

6Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony,

mandanja volafotsy amin’ny mizàna,

ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin’izany,

dia miankohoka sy mivavaka.

7Lanjainy io, tohanany,

dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany;

ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy.

Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy,

na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.

I Iaveh no tompon’ny ho avy

8Mihevera izany, ary misehoa ho lehilahy;

ampoizy izany, ry mpiodina;

9tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin’ny andro taloha.

eny, Izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.

10Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko,

Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany,

sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela;

Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako,

ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;

11izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana,

dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra.

Efa niteny Aho, ka hanatanteraka!

Efa nikasa Aho, ka hanefa izany!

12Mihainoa ahy, ianareo olona madî-po,

izay lavitry ny fahamarinana.

13Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy;

ary ny famonjeko tsy ho ela;

hanome famonjena an’i Siôna Aho,

sy ny voninahitro ho an’i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help