1 Nataon’i Davida. Fisaintsainana masina.
Sambatra izay voaesotra ny helony,
sy voavela ny fahotany.
2Sambatra ny olona tsy tanan’i Iaveh heloka,
izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
3Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra,
tamin’ny fitolokoko isan’andro.
4Fa nanindry ahy, andro aman’alina, ny tananao;
nihamaina ny herin’ny aiko tamin’ny hainandro lohataona.
- Selà
5Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko.
Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.»
Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako
- Selà
6Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra,
amin’ny fotoana mety.
Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be,
dia tsy hahatratra azy izany.
7Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao,
hodidininao hiram-pamonjena aho.
- Selà
8Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao;
ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
9Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina:
tsy maintsy entina amin’ny vy sakam-bavany
aman-damboridy ireny;
fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.
10Fahoriana be no anjaran’ny ratsy fanahy;
fa fahasoavana kosa no manodidina an’izay matoky an’i Iaveh.
11Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina,
Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.