1Dia ao amin’ilay nisy ny rakiny no nasain’i Hôlôferina nampandrosoina i Jodita, hipetraka ao ary tenany no nandahatra izay homena azy avy amin’ny sakafony.
2Fa hoy i Jodita: «Tsy azoko atao izao ny mihinana ny zavatra nasainao nomena ahy, fandrao tratry ny ota aho, fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko.»
3«Ka inona no hataonay ho anao», hoy i Hôlôferina taminy, «raha lany ny hanina nentinao?»
4«Tompokolahy, hoy i Jodita, mianiana amin’ny ainao aho, fa tsy hahalany ireto vatsy rehetra ireto ny ankizivavinao, alohan’ny hanatanterahan’Andriamanitra amin’ny tanako, ny hevitra voakasako.» Dia nampidirin’ireo mpanompony tao amin’ny lay voalazany, ravehivavy.
5Nony niditra tao izy, dia nangata-dalana mba hahazo mivoaka amin’ny alina alohan’ny vaky masoandro, hivavaka sy hiantso ny Tompo.
6Ka nandidy ireo mpanompony i Hôlôferina hamela azy hivoaka sy hiditra araka izay tiany, mandritra ny hateloana, mba hivavaka amin’ny Andriamaniny.
7Koa nivoaka isan’alina izy, nankao amin’ny lohasahan’i Betolia sy nandro teo amin’ny loharano anankiray.
8Nony niakatra avy any izy, dia nivavaka tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely mba hitarika ny diany ho amin’ny famonjena ny vahoakany.
9Raha efa izay dia niditra ao an-dainy izy, dia nitoetra ho madio ao, mandra-pisakafony amin’ny hariva.
I Jodita teo amin’ny fanasan’i Hôlôferina10Tamin’ny andro fahefatra, nanao fanasana ho an’ireo mpanompony i Hôlôferina, ka nilaza tamin’i Vagao eonòkany hoe: «Mandehana taomy io Jody vavy io hanaiky an-tsitrapo ny hiara-mipetraka amiko,
11fa fahafaham-baraka ho an’ny lehilahy amin’ny Asirianina raha vehivavy no hamazivazy azy sy handao azy tsy nanaiky ny faniriany.»
12Dia niditra tao amin’i Jodita i Vagao, ka nilaza taminy hoe: «Aoka ny zazavavy soa, tsy hatahotra ny hankany anilan’ny tompoko, homem-boninahitra eo anatrehany, ary hiara-mihinana aminy ary hisotro divay amin-kafaliana.»
13«Zinona moa aho, hoy ny navalin’i Jodita, no handà ny tompoko?
14Izay soa sy lavorary eo imasony dia hataoko avokoa, ary izay rehetra tiany indrindra no tsara indrindra ho ahy koa, amin’ny andro rehetra iainako.»
15Dia nitsangana izy, ary rehefa niravahany avokoa ny fihaingoany rehetra, dia niditra sy nankeo anatrehan’i Hôlôferina izy.
16Niontana ny fon’i Hôlôferina, fa main’ny fitsiriritana azy.
17Hoy i Hôlôferina taminy: «Misotroa ary mihinàna an-kafaliana, fa nahita fitia eo imasoko ianao.»
18Ary hoy i Jodita: «Hisotro aho, tompoko, fa ity no andro nahazoan’ny fanahiko voninahitra indrindra, mihoatra noho ny tamin’ny andro rehetra niainako.»
19Ny efa nomanin’ny ankizy vaviny no noraisiny dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy.
20Nentanin-kafaliana noho ny aminy loatra i Hôlôferina ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatrizay niainany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.