Jeremia 25 - Malagasy Catholic Bible

4. I BABILÔNA, LOZA IRAHIN’I IAVEH

1Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

2Teny notononin’i Jeremia momba ny vahoaka rehetra any Jodà, mbamin’ny mponina rehetra any Jerosalema nataony hoe:

3Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taona izay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.

4Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy:

5Samia ianareo miverina miala amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny haratsian’ny asanareo avy, dia honina amin’ny tany nomen’i Iaveh anareo sy ny razanareo, amin’ny taona mifandimby ianareo.

6Aza mandeha manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy; ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, dia tsy hampidi-doza aminareo akory Aho.

7Tsy nihaino ahy anefa ianareo, - teny marin’i Iaveh - ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.

8Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Noho ianareo tsy nihaino ny teniko,

9dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.

10Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.

11Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.

12Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.

13Hataoko mihatra amin’izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin’ity boky ity.

2. TENIN’ANDRIAMANITRA MAMELY IREO FIRENENA TSY JODY1. TENY MIALOHAFampisehoan’Andriamanitra ilay kapoaka

Ny novinanin’i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra.

14Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.

15Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.

16Hisotro amin’izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoan’izy ireo.»

17Noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’i Iaveh, nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan’i Iaveh ahy, dia i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Jodà,

18ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao.

19I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,

20ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin’ny Otsa, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina, i Askalôna, i Gazà, i Akarôna, mbamin’ny sisa any Azota;

21I Edôma, i Moaba, mbamin’ny taranak’i Amôna;

22ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;

23I Dedana, i Temà, i Boza, mbamin’ireo rehetra miharatra fihirifana;

24ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ireo firenena mifangaro monina any an’efitra;

25ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;

26ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no hisotro manaraka ireo.

27Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»

28Ary raha mandà tsy handray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy ireo, lazao aminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hisotro ianareo!

29Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» - teny marin’i Iaveh.

30Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe:

«Mitrena any ambony i Iaveh

nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina,

mitrena mafy mamely ny taniny;

akoran’ny mpioty voaloboka no alefany,

manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.

31Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka;

satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra,

mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana,

manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra,

- teny marin’i Iaveh. -

32Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa.

Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran’ny tany.

33Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh,

hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa;

tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny,

fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.

34Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna,

mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry,

fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo;

hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.

35Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana;

ny lehiben’ny ondry tsy hanan-kialofana.

36Re ny fitarainan’ny mpiandry ondry,

ary ny fidradradradran’ny lehiben’ny ondry,

fa nosimban’i Iaveh ny tany fiandrasana azy.

37Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava

avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh!

38Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy;

ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra,

eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava,

eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help