Jeremia 35 - Malagasy Catholic Bible

Ny ohatra nomen’ireo Rekabita

1Ny teny avy amin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, tamin’ny andron’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:

2Mandehana ianao mankany amin’ny fianakavian’i Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon’i Iaveh amin’ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.

3Koa dia nalaiko i Jezoniasa zanak’i Jeremia zanak’i Habsaniasa, mbamin’ireo rahalahiny sy ireo zanany rehetra ary ny fianakavian-dRekabita rehetra;

4ka nampidiriko tao an-tranon’i Iaveh, tamin’ny efitranon’i Hanàna, zanak’i Jegdeliasa, olon’Andriamanitra, anilan’ny efitranon’ireo loholona sy ao ambonin’ny efitranon’i Maasiasa, zanak’i Seloma mpiandry varavarana.

5Narosoko teo anoloan’ny zanaky ny fianakavian’ny Rekabita siny feno divay mbamin’ny kapoaka, dia hoy aho taminy: «Misotroa divay ianareo.»

6Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;

7ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin’ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin’ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny ianareo.›

8Koa notandremanay ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba razanay, tamin’ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;

9tsy manao trano hitoerana izahay; tsy manan-tanimboaloboka, na saha, na tany voafafy, izahay;

10ary mitoetra an-day izahay, manaiky izahay, ary ny ataonay rehetra dia araka izay nandidian’i Jônadaba razanay, anay.

11Nony avy izay nanafihan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna an’izao tany izao, dia hoy izahay: ‹Andeha isika hialoka any Jerosalema, eo anatrehan’ny tafiky ny Kaldeanina sy ny tafik’i Siria›, ka dia nitoetra teto Jerosalema izahay.»

12Dia tonga tamin’i Jeremia ny teny avy amin’i Iaveh, nanao hoe:

13Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin’ny fihainoana ny teniko va ianareo? - teny marin’i Iaveh. -

14Voatandrina ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandraka androany; ary izaho niteny taminareo koa, niteny hatramin’ny vao maraina aza, nefa tsy nihaino Ahy ianareo!

15Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.

16Eny, ny taranak’i Jônadaba zana-dRekaba, nitandrina ny didy napetraky ny razany taminy; fa ity vahoaka ity kosa, tsy mba mihaino Ahy!

17Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’i Jodà sy amin’ny mponina rehetra ao Jerosalema, ny loza rehetra voalazako ny amin’izy ireo; satria niteny tamin’izy ireo Aho, fa tsy nohenoiny; ary niantso azy Aho, fa tsy novaliany.

18Ary hoy i Jeremia tamin’ny fianakavian’ny Rekabita: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Noho ianareo nanaiky ny didin’i Jônadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo,

19noho izany dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanaka lahy hitsangana eo anatrehako i Jônadaba zana-dRekaba».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help