1Nampitondra teny tamin’i Estera izy mba hidirany ao amin’ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an’ny fireneny sy ny tanindrazany.
2Tsarovy ny andron’ny fahambanianao, sy ny nameloman’ny tanako anao, fa i Amàna, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika.
3Fa ianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin’ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin’ny fahafatesana izahay.
Vakina amin’ny fiandohan’ny toko 5.
4Tamin’ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan’i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.
5Tao anatin’ny famirapiratan’ny haingony fatratra, nony efa niantso an’Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba.
6Niankina tamin’ny anankiray izy hoatra ny ila tsy ho zakany ny tenany malemy;
7ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan’ity tompovaviny.
8Voazavan’ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-te ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan’ny tahotra.
9Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan’ny mpanjaka. I Asoerosy izany nipetraka teo amin’ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr’endriny.
10Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin’ny sorok’ilay ankizivavy nandeha teo alohany.
11Fa novan’Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran’ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin’ny seza fiandrianany, nanohana an’i Estera tamin’ny sandriny, mandra-pahatsiarovany tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin’ny teny maneho fitiavana.
12«Fa maninona ianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia,
13tsy ho faty ianao, fa ho an’ny be sy ny maro ny didiko.
14Avia!» Dia naingainy ny tehim-bolamena,
15natehiny teo amin’ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: «Mitenena amiko.»
16Ary hoy ny navaliny: «Toy ny Anjelin’Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon’ny tahotra ny fiandriananao,
17fa mendrika ny higagàna ianao, tompokolahy, ary mahatehotia ny tarehinao.»
18Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray,
19ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.
Famonjen’i Asoerosy ny vahoaka JodyVakina manarakaraka ny toko 8,12
Vakina manarakaraka ny toko 8,12.
Izay manaraka eto no kôpian’izany taratasy izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.