2Tantara 26 - Malagasy Catholic Bible

Ny nanombohan’ny nanjakan’i Oziasa(Jereo 2Mpa 14,21-22; 15,2-4)

1I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.

2Nanorina an’i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin’i Jodà indray, nony efa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.

3Ary 16 taona i Oziasa fony vao nanjaka, ary 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema.

4Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh araka izay rehetra nataon’i Amasiasa rainy izy.

5Nanaja an’Andriamanitra izy, tamin’ny andro niainan’i Zakaria, izay nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra ary nambinin’Andriamanitra izy, tamin’ny andro nanajany an’i Iaveh.

Hery amam-pahefan’i Oziasa

6Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.

7Nampian’Andriamanitra izy hamely ny Filistinina sy ny Arabo nonina tany Gora-Baala, ary ny Maonita.

8Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.

9Nasian’i Oziasa tilikambo teo amin’ny vavahady an-jorony sy teo amin’ny vavahady mankany an-dohasaha ary teo amin’ny zorony, tao Jerosalema, sady nohamafisiny izy.

10Nanao tilikambo tany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.

11Nana-miaramila mpanafika i Oziasa, izay nandeha nanafika isan-tokony, mandry an’isany araka ny fanisana nataon’i Jehiela mpanoratra, sy i Maasiasa mpitandrin-draharaha, tambany fifehezan’i Hananiasa, anankiray amin’ny komandin’ny mpanjaka.

12Ny isan’ny loham-pianakaviana, izay samy mpiady mahery avokoa, dia 2.600 no tontaliny.

13Ka ny miaramila nofehezin’ireo, dia 307.500, izay nahay niady tamin’ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan’ny fahavalony.

14Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.

15Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin’ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin’ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.

Fiavonavonany sy saziny

16Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin’i Iaveh izy, handoro zava-manitra eo ambony ôtely fandoroan-java-manitra.

17Niditra avy ato aoriany kosa i Azariasa mpisorona, mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’i Iaveh, samy lehilahy mahery avokoa,

18ka nanohitra an’i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: «Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an’i Iaveh, fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aarôna izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin’ny fitoerana masina fa nanota ianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitra izany.»

19I Oziasa amin’izany, nitana fanembohana teny an-tanany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana; ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin’ny handriny nisy habokana mipoitra, teo anatrehan’ny mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh, teo anoloan’ny ôtely fandoroan-java-manitra.

20Nony nijery nankany aminy i Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan’ny habokana ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian’i Iaveh.

(Jereo 2Mpa 15,5-7)

21Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.

22Ny asan’i Oziasa sisa, ny voalohany sy ny farany, dia efa voasoratr’i Izaia zanak’i Amôsa mpaminany.

23Ary nody mandry tamin’ny razany i Oziasa, tany amin’ny saha fandevenana ny mpanjaka satria boka izy, hoy ny olona. I Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help