Ohabolana 31 - Malagasy Catholic Bible

8. TENIN’I LAMOELA

1Tenin’i Lamoela mpanjaka. Oha-teny nampianarin-dreniny azy.

2Inona no ho lazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko,

ry zanako nateraky ny kiboko?

Inona no holazaiko aminao, anaka, ianao izay nalehan’ny faniriako!

3Aza atolotra ny vehivavy ny herinao;

na ny lalanao an’ireo vehivavy mamery mpanjaka.

4Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela,

tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay,

na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;

5fandrao manadino ny lalàna izy, raha misotro;

ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.

6Fa ny efa ho faty no omeo toaka,

ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;

7aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany

ary tsy hahatsiaro ny manjò azy intsony.

8Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana,

sy hanohana ny resy tondro maso rehetra manana ady.

9Sokafy ny vavanao, mamoaha fitsarana marina,

ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.

9. NY VEHIVAVY MAHERY FOAlef

10Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo?

mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany.

Bet

11Matoky azy, ny fon’ny lahy,

ary tsy mba handao azy ny tombony miditra

Gimel

12Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy;

amin’ny andro rehetra iainany.

Dalet

13Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy,

dia miasa an-kafaliana amin’ny tanany.

He

14Manahaka ny sambon’ny mpandranto izy,

mitondra ny haniny, avy lavitra.

Vao

15Mifoha mbola alina izy,

dia manome hanina ny ankohonany,

sy lahasa ho an’ny ankizy vaviny.

Jain

16Mandinika saha izy, dia mividy azy,

ary mamboly tanimboaloboka amin’izay efa azon’ny tanany.

Het

17Sikinany hery ny valahany,

ary hatanjahany ny sandriny.

Tet

18Tsaroany mamy ny tombony efa azony,

tsy maty jiro izy mandritra ny alina.

Iôd

19Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany;

ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.

Kaf

20Manatsò-tanana amin’ny ory izy;

ary mamela-tanana amin’ny mahantra.

Lamed

21Tsy atahorany fanala ny ankohonany,

fa voatafy lamba mena antitra avokoa izy ao an-tranony.

Mem

22Manao firakotra ho azy izy,

manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy.

Non

23Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady,

raha mipetraka hitsara miaraka amin’ny loholona.

Samek

24Manao akanjo lobaka izy, hamidiny;

ary mivarotra fehikibo amin’ny mpandranto.

Ain

25Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy,

ary ny andro ho avy ihomehezany.

Fe

26Amim-pahendrena no isokafan’ny vavany,

ary teny soa no eo amin’ny lelany.

Tsade

27Mitandrina ny alehan’ny ankohonany izy;

ary tsy mba mihinana mofom-pahakamoana.

Kôf

28Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra;

ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy.

Resh

29Maro ny zaza vavy miseho ho tsara fanahy,

fa ianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.

Shin

30Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy;

fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.

Tao

31Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy;

ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help