1Hitan’i Jôaba zanak’i Sarvià fa nitodika nankany amin’i Absalôma ny fon’ny mpanjaka.
2Dia naniraka ho any Tekoa hitady vehivavy fetsy anankiray i Jôaba ka nilaza taminy hoe: «Modia misaona ianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany.
3Ho avy ao amin’ny mpanjaka ianao ka izao no resaka hataonao aminy...» Dia nataon’i Jôaba tao am-bavany ny teny holazainy.
4Tonga ravehivavy avy any Tekoa hiresaka amin’ny mpanjaka. Lavo niankohoka tamin’ny tany izy vao niteny hoe: «Vonjeo aho, ry mpanjaka ô!»
5Hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Hoy ravehivavy: «Mpitondra tena aho, fa maty ny vadiko.
6Ary roa lahy no zanaky ny ankizy vavinao, nifanditra teny an-tsaha izy roa lahy; ary satria tsy nisy nampisaraka azy dia novonoin’ny anankiray ity rahalahiny ka maty.
7Ary indro nitsangana ny tamingana rehetra hamely ny ankizy vavinao, ka nanao hoe: Atolory ilay namono ny rahalahiny, dia hataonay maty izy hanefa ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny, ka hataonay levona hatramin’ny mpandova aza! Ka izay tapa-porohana sisa amiko dia hovonoiny, mba tsy hisy tavela hamelo-maso ny anaran’ny vadiko na handimby azy eto ambonin’ny tany.»
8Hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: «Modia any an-tranonao, fa izaho hanome didy momba ny aminao.»
9Hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: «Aoka ny tenako, ry mpanjaka tompoko, aoka ny fianakavian-draiko no hiharan’ny ota, fa aza ny mpanjaka na ny sezam-panjakany no ho voan’izany!»
10Hoy ny mpanjaka: «Raha mbola misy manelingelina anao, dia ento atỳ amiko izy, tsy hanohina anao intsony izy.»
11Dia hoy izy: «Aoka hantsoin’ny mpanjaka i Iaveh Andriamanitrao, mba tsy hampitomboan’ny mpamaly ra ny loza, ka tsy hamonoany ny zanakao!»
Hoy ny navaliny: «Toy ny maha-velona an’i Iaveh, dia tsy hisy hihintsana amin’ny tany ny volon-dohan’ny zanakao, na iray aza.»
12Hoy ravehivavy: «Aza mahafady ny ankizy vavinao, fa hilaza teny indraimbava amin’ny mpanjaka tompoko aho, raha sitrakao.» Hoy ny navaliny: «Lazao.»
13Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nanao hevitra toy izany amin’ny vahoakan’Andriamanitra - milaza ny tenany ho diso ny mpanjaka mamoaka izany teny fitsarana izany - dia ny amin’ny tsy fampiverenan’ny mpanjaka an’ilay nataony sesitany.
14Fa ho faty marina isika: toy ny rano raraka an-tany ka tsy miangona intsony isika; Andriamanitra tsy manala ny aina, ary mamorona izay hevitra tsy hahatafajanona lavitra azy ilay voasesitany.
15Ary ankehitriny kosa notairin’ny vahoaka aho no tonga nilaza izany zavatra izany tamin’ny mpanjaka tompoko; ka hoy ny ankizy vavinao: hiresaka amin’ny mpanjaka aho, sao ataon’ny mpanjaka tokoa izay holazain’ny ankizy vavinao.
16Eny, fa hihaino ny mpanjaka mba hanafaka ny ankizy vaviny eo an-tanan’olona izay mitady hanesotra ahy sy ny zanako eo amin’ny lovan’Andriamanitra.
17Efa niteny ny ankizy vavinao hoe: Aoka hampahazo fiadanana ahy ny tenin’ny mpanjaka tompoko. Fa tahaka ny Anjelin’Andriamanitra ny mpanjaka tompoko, hihaino ny tsara sy ny ratsy. Ary homba anao anie i Iaveh Andriamanitrao.
18Namaly ny mpanjaka ary nilaza tamin-dravehivavy nanao hoe: «Aza misy afeninao izay hanontaniako anao.» Hoy ravehivavy: «Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko!»
19Ary hoy ny mpanjaka: «Moa momba anao va ny tanan’i Jôaba amin’izao rehetra izao?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Marina amin’ny maha-velona ny fanahinao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy hiviliana na ho any ankavanana na ho any ankavia izay rehetra lazain’ny mpanjaka tompoko. Eny, i Jôaba mpanomponao no nandidy ahy sy nanao izao teny rehetra izao eo am-bavan’ny ankizy vavinao.
20Ny mba hanarona ny endriky ny raharaha no nanaovan’i Jôaba mpanomponao an’izany fa hendry toy ny Anjelin’Andriamanitra ny tompoko hahalala ny zavatra rehetra mitranga eto ambonin’ny tany.»
21Hoy ny mpanjaka tamin’i Jôaba: «Indro, hataoko izany, koa andeha hampody ny tovolahy Absalôma.»
22Lavo niankohoka tamin’ny tany i Jôaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy i Jôaba: «Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin’ny mpanompony no ataon’ny mpanjaka.»
23Nitsangana i Jôaba, dia lasa tany Gesora, ary nentiny nody any Jerosalema i Absalôma.
24Fa hoy ny mpanjaka: «Aoka ho any an-tranony izy, ka tsy hahita ny tavako.» Dia nankany an-tranony i Absalôma, ka tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.
Ny mombamomba an’i Absalôma25Tamin’i Israely rehetra tsy misy olona malaza tahaka an’i Absalôma noho ny hatsaran-tarehiny. Hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany tsy manan-kilema akory izy. Raha mihara-doha izy - isan-taona izy no nanao izany, raha nahavesatra azy ny volon-dohany, dia noharatany,
26dia 200 sikla no lanjan’ny volon-dohany, lanjan’ny mpanjaka.
27Zanaka lahy telo no teraka tamin’i Absalôma sy zanaka vavy iray natao hoe: Tamara, vehivavy tsara tarehy io.
Nahazo famelan-keloka i Absalôma28Nipetraka roa taona tao Jerosalema i Absalôma tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.
29Nampiantsoin’i Absalôma i Jôaba hirahiny hankao amin’ny mpanjaka, fa tsy nety nankeo aminy i Jôaba. Nampiantsoin’i Absalôma fanindroany, fa tsy nety nankao.
30Tamin’izay dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: «Hitanareo ny sahan’i Jôaba manolotra ny ahy, misy orja ho azy ao, handeha doroy amin’ny afo.» Dia nampirehitra afo ny saha ireo mpanompon’i Absalôma.
31Nitsangana i Jôaba nankao amin’i Absalôma tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: «Nahoana no dia nampirehitra afo ny sahako ny mpanomponao?»
32Hoy ny navalin’i Absalôma tamin’i Jôaba: «Indro fa naniraka hilaza aminao aho hoe: Avia atỳ fa hirahiko ho any amin’ny mpanjaka ianao, hanao aminy hoe: Haninona aho no niverina avy any Gesora? Tsaratsara kokoa ho ahy ny mbola any ihany. Koa ankehitriny dia te hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, ary raha misy heloka atỳ amiko dia aoka hovonoiny aho!»
33Lasa i Jôaba nanatona ny mpanjaka sy nitantara taminy izany zavatra izany. Dia nantsoiny i Absalôma, dia tonga tao amin’ny mpanjaka izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka ary nanoroka an’i Absalôma ny mpanjaka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.