Salamo 54 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 54 (Volgata 53)Fiantsoana ny fitsaràn’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Hiran’i Davida.

2Fony ny Zifeanina tonga nilaza tamin’i Saola hoe: «Miery any aminay i Davida.»

3Vonjeo aho, ry Andriamanitra, noho ny Anaranao,

ary omeo ny rariny aho, noho ny herinao.

4Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra,

atongilano ny sofinao amin’ny teny aloaky ny vavako.

5Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy;

misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko;

tsy manao an’Andriamanitra eo imasony izy.

- Selà

6Indro, Andriamanitra no vonjiko,

ny Tompo no tohan’ny fanahiko.

7Hanatsingerina ny ratsy amin’ny mpanohitra ahy izy.

Noho ny Fahamarinanao dia aoka haringanao izy.

8Hanatitra sorona aminao, amin’ny foko rehetra aho;

Hidera ny Anaranao aho, ry Iaveh, fa tsara Izy.

9Manafaka ahy amin’ny fahoriana rehetra Izy;

ary faly mijery ny fahavaloko ny masoko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help