Ezekiela 12 - Malagasy Catholic Bible

Fihetsika asaina ataon’i Ezekiela manambara ny handosirana

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, manao hoe:

2«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.

3Koa mifeheza entana ianao, ry zanak’olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin’izay itoeranao, ho any amin’ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin’izany, fa taranaka miodina izy.

4Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony ianao, hoatra ny fiaingan’ny olona mifindra tany honenana.

5Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao;

6ataovy an-tsoroka eo imasony izany, dia ento rehefa ilay maizimaizina iny; saròny ny tavanao, ataovy amin’izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an’ny taranak’i Israely ianao.»

7Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rehefa ilay maizimaizina iny, dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.

8Nony maraina, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

9Ry zanak’olona, moa ny taranak’i Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: «Inona ity ataonao?» Lazao aminy hoe:

10Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Ity teny faminaniana ity, dia ho an’ny andriana ao Jerosalema,

mbamin’ny taranak’i Israely rehetra, ao amin’izany tanàna izany.

11Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho;

tahaka izay nataoko, no hatao amin’izy ireo;

hasesitany izy, ho any amin’ny fahababoana.

12Ny andriana eo aminy,

hanao an-tsoroka ny entany, rehefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga;

hogorobahan’ny olona ny manda, hamoahana azy;

hosaronany ny tavany, ka tsy hahita

maso ny tany izy.

13Hamela-pandrika harato aminy Aho,

ka ho voan’ny fandrika izy;

hoentiko any Babilôna izy,

any amin’ny tanin’ny Kaldeanina;

nefa tsy hahita izany izy,

ary ho faty any.

14Izay rehetra manotrona azy,

ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra,

dia haeliko any amin’ny vazantany rehetra,

sady henjehiko amin’ny sabatra voatsoaka.

15Dia ho fantany fa Iaveh Aho,

rehefa naeliko any amin’ny firenena izy,

sy nahahako any amin’ny tany hafa.

16Hisy olona vitsivitsy amin’izy ireo anefa, havelako

ho afaka amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta,

mba hitantara ny fahavetavetana nataony,

any amin’ny firenena halehany any,

dia ho fantany fa Iaveh Aho.

17Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

18Ry zanak’olona, hihinana amin-korohoro ny haninao ianao,

ary hisotro amin-tebiteby sy amin’ahiahy ny ranonao.

19Ary hilaza amin’ny vahoakan’ny tany ianao hanao hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh

ny amin’ny mponina ao Jerosalema,

ny amin’ny tanin’i Israely:

Amin’ahiahy no hihinanan’izy ireo ny haniny,

ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony,

fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin’ny tany,

noho ny fampahoriana afitsoka izay rehetra monina eo aminy.

20Ny tanàna nonenana ho lao;

ny tany, ho foana;

dia ny fantatrareo fa Iaveh Aho.

Ohabolana fanaon’ny vahoaka

21Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

22Ry zanak’olona, inona ity fitenenana

ataonareo fiteny eo amin’ny tanin’i Israely hoe:

Mihalava ny andro;

tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra?

23Koa lazao amin’izy ireo hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Hatsahatro izany fitenenana izany,

ka tsy hotononina eo amin’i Israely intsony izany.

Fa izao kosa no lazao amin’izy ireo:

Antomotra ny fotoana;

mbamin’ny fahatanterahan’ny tenin’ny fahitana rehetra.

24Fa tsy hisy intsony ny fahitana fitaka,

na ny faminaniana sandoka,

eo amin’ny taranak’i Israely.

25Fa Izaho Iaveh, hiteny,

ary ny teny holazaiko, ho tanteraka;

tsy hanaovana ampitso lava.

Eny, amin’izao andronareo izao, ry taranaka miodina,

no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy.

- Teny marin’ny Tompo Iaveh. -

26Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

27Ry zanak’olona, indro ny taranak’i Israely manao hoe:

Ny fahitana izay hitan’ilay io

mbola ho amin’ny andro lavitra,

ary ho amin’ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.

28Koa lazao amin’izy ireo hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko;

fa efa ho tanteraka ny teny ataoko.

- Teny marin’ny Tompo Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help