1Raha te-hiverina ianao, ry Israely,
- teny marin’i Iaveh -
dia miverena amiko.
Ka raha esorinao tsy ho eo anatrehako ny fahavetavetanao,
dia tsy hirenireny foana intsony ianao!
2Ary raha ianao mianiana hoe: Velona i Iaveh! ka amim-pahamarinana
sy hitsiny ary rariny no ianiananao,
dia holazain’ny firenena, fa Izy no hanambina azy ireo
ary Izy no hireharehan’izy ireo.
3Fa izao no lazain’i Iaveh
amin’ny olona ao Jodà sy Jerosalema:
Asao ny tany vaonareo,
ary aza mamafy amin’ny tsilo.
4Miforà ho an’i Iaveh ianareo,
ary ny fonareo no forao,
ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema,
fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako,
ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy,
noho ny haratsian’ny ataonareo.
Fanafihana avy any Avaratra(Jereo Jer 1,13-15)5Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema,
lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany,
ary manaova antso avo, ka lazao hoe:
Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda!
6Manangàna saina, manandrify an’i Siôna,
mandosira ianareo, aza miatoato akory!
Fa avy any Avaratra Aho dia hahatonga loza
amin’antambo lehibe.
7Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny,
ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day,
niala tamin’ny fitoerany
hampanjary efitra ny taninao;
ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.
8Noho izany misikìna lamba malailay ianareo;
mitomania sy midradradradrà;
fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh,
tsy nihodivitra antsika.
9Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -
ny mpanjaka ama-mpifehy ho rera-po,
ny mpisorona hiraviravy tanana,
ary ny mpaminany ho kepoka foana.
10Ary hoy aho: «Indrisy, Iaveh Tompo ô,
nofitahinao izany ity firenena ity,
sy i Jerosalema, fony ianao nanao hoe:
‹Hahazo fiadanana ianareo›;
kanjo sabatra ity, no hamono mahafaty!»
11Amin’izany andro izany, dia hilazana
ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe:
Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra,
eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako,
ka tsy hikororohana na hanadiovana;
12rivotra mahery noho ny mahapaoka mololo no tonga mankamiko.
Ary amin’izao dia izaho kosa indray no hamoaka
ny teny fitsarana momba azy ireo.
13Indro izy miakatra toy ny rahona;
tahaka ny tadio ny kalesiny;
miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny.
Loza ho antsika fa ringana isika ity!
14Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao,
mba hovonjena ianao;
mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao
ao am-ponao?
15Fa misy feo avy any Dana, ka manambara,
hatrany an-tendrombohitr’i Efraima izy no milaza ny loza ho avy.
16Ampandreneso ny firenena izany;
ambarao azy ireo ny lozan’i Jerosalema.
Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra,
manao akoralava hamely ny tanànan’i Jodà.
17Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an’i Jerosalema,
satria niodina tamiko izy, - teny marin’i Iaveh. -
18Izany no tamby,
valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao;
izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy!
Eny, mihatra amin’ny fo izany!
19Ny kiboko re! ny kiboko re!
mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana!
Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho,
fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara,
ny akoran’ady.
20Fandravana mitongoa fandravana no ambara;
fa rava ny tany rehetra.
Rava tampoka ny laiko,
raha indray mihelina monja ny trano laiko.
21Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva,
sy handrenesako ny feon’anjomara?...
22Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako!
Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo;
zaza tsy misy saina,
sy tsy manam-pahalalana izy,
ka ny manao ratsy no mahakinga azy;
fa ny manao soa tsy fantany akory.
23Mijery ny tany aho,
ka inty izy tsy misy endrika sady foana;
nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy.
24Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy;
ary ny havoana rehetra mivembena avokoa.
25Mijery aho, ka indro ny olona tsy nisy teo;
ary ny voromanidina rehetra efa nandositra.
26Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra;
ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan’i Iaveh.
27Fa izao no lazain’i Iaveh:
Ho lao ny tany rehetra,
kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.
28Noho izany ny tany misaona,
ary ny lanitra any ambony mihamainty,
satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany,
ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.
29Vao re ny feon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka,
dia vaky nandositra avokoa ny tanàna;
mitsofoka any anaty ala,
mananika ny vatolampy ny olona.
Nilaozany avokoa ny tanàna,
tsy misy mponina intsony.
30Inona indray no hataonao, ry ilay noravana?
Na dia hiakanjo jaky aza ianao,
ka hiravaka haingo volamena
sy hitentina ny manodidina ny masonao,
dia foana ny fanaovanao izay hahatsara tarehy anao;
fa manamavo anao ireo lehilahinao,
ny ainao no tadiaviny halàna.
31Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza,
tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany,
dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna;
fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe:
«Loza no manjò ahy, maty ny aiko,
azon’ireo mpamono olona!»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.