Salamo 114 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 114 (Volgata 113 A)Antsa fanao amin’ny Paka

1Raha nivoaka tany Ejipta i Israely

ka niala tamin’ny firenena barbarianina ny fianakavian’i Jakôba,

2I Jodà no tonga fitoerany masina,

i Israely no fanjakany.

3Nahita azy ny ranomasina dia nandositra,

i Jordany nianòtra niverina.

4Ny tendrombohitra nifalihavanja, tahaka ny ondralahy;

ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry.

5Maninona ity ianao no mandositra, ry ranomasina?

ary ity ianao no mianòtra miverina, ry Jordany?

6Nahoana ireto ianareo, ry tendrombohitra,

no mifalihavanja hoatra ny ondralahy

ary ianareo ry havoana, toy ny zanak’ondry?

7Mangovita eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo, ry tany,

dia eo anatrehan’ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba,

8izay manova ny harambato ho farihy

ary ny vatolampy ho loharano.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help