Salamo 107 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 107 (Volgata 106)Vonjen’Andriamanitra amin’ny loza rehetra ny olombelona

1Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy,

mandrakizay ny famindram-pony.

2Izany anie no holazain’ireo navotan’i Iaveh,

dia ireo navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalony,

3sy nangoniny avy any amin’ny tany rehetra,

avy any atsinanana sy andrefana,

avy any avaratra sy any amin’ny ranomasina.

4Nirenireny tany an’efitra ireny tamin’ny lalana mangingina,

tsy nahita tanàna iray akory honenana.

5Nianjadian’ny hanoanana aman-ketaheta,

efa tsaroany reraka ny ainy.

6Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy,

ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.

7Nitondra azy tamin’ny lala-mahitsy izy,

hampahatongavany azy amin’ny tanàna fonenana.

8Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,

sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!

9Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta,

ary ny fanahy noana novokisany soa.

10Tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana no nitoeran’izy ireo,

voababo ao anatin’ny fahoriana sy ny gadra vy.

11Satria niodina tamin’ny teny ton’Andriamanitra izy

sy naniratsira ny fananaran’ny Avo Indrindra.

12Dia naetriny tamin’ny fijaliana ny fony;

nitambotsotra izy ka tsy nisy namonjy!

13Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriany izy,

ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.

14Nesoriny tamin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana izy,

ary notapahiny ny fatorany.

15Hoderainy anie i Iaveh, noho ny hatsaram-pony;

sy noho ny fahagagana nataony tamin’ny zanak’olombelona!

16Fa nanorotoro ny varavarana varahina izy,

ary nanapatapaka ny hidy vy.

17Adala lahy ireo! Noho ny fitondran-tenany mahameloka,

sy noho ny helony dia notaritiny hanjò azy ny fijaliana.

18Nahamonamonaina azy avokoa izay hanina rehetra;

ary efa mby akaikin’ny vavahadin’ny fahafatesana izy.

19Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy;

ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.

20Nandefa ny teniny Izy dia nanasitrana azy,

sy nanafaka azy hiala amin’ny fasany.

21Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,

sy noho ny fahagagana nataony, ho an’ny zanak’olombelona!

22Hanatitra sorona fisaorana anie izy,

ary hitory ny asany amin’ny hobin-kafaliana!

23Nirotsaka an-tsambo izy ireo teny amin’ny ranomasina,

mba hanao fandrantoana eny amin’ny rano lehibe. -

24Ireo no nahita ny asan’i Iaveh,

mbamin’ny fahagagana nataony tao amin’ny hantsam-be. -

25Fa niteny Izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra,

izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;

26ka tafasavoana hatrany an-danitra izy ireo,

tafalentika ao amin’ny hantsana;

trotraky ny fahoriana ny fanahiny.

27Fanina izy, ka nivembena hoatra ny mamo;

ary foana avokoa ny fahendreny rehetra.

28Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy,

ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.

29Novany ho tsotso-drivotra malemy ny tafio-drivotra,

dia nangina ny onjan-dranomasina.

30Nifaly izy ireo nahita ireo nitony,

ary nentin’i Iaveh, ho amin’ny fitodiana niriny izy.

31Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,

sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!

32Hankalazainy eo amin’ny fiangonan’ny vahoaka anie Izy,

ary hoderainy eo amin’ny fiangonan’ny loholona.

33Ny ony, novany ho efitra,

ary ny loharano ho tany karankaina,

34ny tany mahavokatra ho tanin-tsira

noho ny haratsian’ny mponina teo aminy.

35Ny efitra kosa novany ho kamory,

ary ny tany karankaina ho tany be loharano,

36Dia namponeniny eo ny noana,

ka nanorin-tanàna honenany.

37Namafy ny saha ireny sy namboly voaloboka,

ary nahazo vokatra be.

38Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy,

ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.

39Nahenany ho vitsy foana sy naetriny izy ireo,

notsindrian’ny loza amam-pahoriana.

40Nosaforany henatra ny mpanapaka an’ireny,

nampirenireny any an’efitra tsy misy lalana;

41fa ny mahantra kosa nasandrany ho afa-pahoriana,

ary ny fianakaviana nataony tonga sahala amin’ny andiam-biby fiompy.

42Mahita izany ny olona mahitsy fo ka mifaly,

fa mikombom-bava foana kosa ny ratsy fanahy rehetra.

43Aoka izay hendry hamantatra izany zavatra izany

ka hahalala ny hatsaram-pon’i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help