Abdiasa 1 - Malagasy Catholic Bible

Lohateny sy Sasin-teny

1Fahitan’i Abdiasa.

Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma:

- Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena:

Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -

Teny fitsarana an’i Edôma(Jereo Iz 34,1-17; Ezek 25,12-14; Jer 49,7-22)

2Indro ianao efa nataoko kely eo amin’ny firenena

dia faniratsira indrindra.

3Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao!

Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato,

ka ny havoana no fonenany,

dia manao anankampo hoe:

Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany?

4Na hisondrotra ho avo toy ny voromahery aza ianao,

ka hametraka ny akaninao eny amin’ny kintana,

dia hampidina anao avy eny Aho, - teny marin’i Iaveh. -

Famongarana an’i Edôma

5Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra,

na ny mpandroba alina

- Endrey izany faharavanao! -

moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany?

Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao,

moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?

6Endrey izany fisava an’i Esao!

Endrey izany fikaroka ny rakiny miafina!

7Nanosika anao hatrany an-tsisin-tany avokoa,

ireo vita fanekena taminao;

namazivazy anao, naharesy anao ireo

izay nifaly tamin’ny fihavanany aminao;

ry zareo nihinana ny haninao,

namela-pandrika eo ambanin’ny dianao.

Tsy misy saina azo aminy.

8Moa amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -

tsy fongorako va ny olon-kendry ao Edôma,

sy ny fahazavan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao?

9Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna,

mba ho voafongotra rehefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr’i Esao.

10Noho ny famonoana, noho ny fahasiahanao amin’i Jakôba rahalahinao,

dia ho safo-kenatra sy hofongorana mandrakizay ianao.

11Tamin’ny andro nitsangananao nanandrify azy,

tamin’ny andro nitondran’ny fahavalo ny miaramilany,

sy nitsofohan’ny hafa firenena amin’ny vavahadiny,

ka nanaovany loka an’i Jerosalema,

dia toy ny iray tamin’ireny koa ianao.

12Aza faly mijery ny andron’ny rahalahinao,

amin’ny andro idiran-doza aminy;

aza mifaly amin’ny momba ny taranak’i Jodà,

amin’ny andro andringanana azy;

ary aza dia avoavo fiteny amin’ny andron’ny fahoriany.

13Aza miditra ny vavahadin’ny vahoakako,

amin’ny andro ahitany loza;

aza faly mijery ny fahoriany koa ianao,

amin’ny andro ahitany loza;

ary aza maninji-tanana haka ny fananany,

amin’ny andro ahitany loza.

14Aza miandry eo am-pihaonan-dalana,

hamono ny mandositra avy any aminy;

aza manolotra ireo afa-nandositra,

amin’ny andron’ny fahoriany.

15Fa efa akaiky ny andron’i Iaveh

amin’ny firenena rehetra;

ka toraky ny nataonao no hatao aminao;

hitsingerina ho eo an-dohanao, ny asanao.

Andron’i Iaveh, famalian’i Israely an’i Edôma

16Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina,

no hisotroan’ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa;

hisotro izy, hitelina izy,

ary ho toy ny tsy nisy akory izy.

17Ao an-tendrombohitr’i Siôna kosa hisy sisa nanamborana;

ho fitoerana masina izy;

ary hahazo ny fananany indray ny taranak’i Jakôba.

18Ny taranak’i Jakôba, ho afo;

ny taranak’i Josefa, ho lelafo;

ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka;

ka harehitr’ireo izy sy holevoniny,

dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao,

fa i Iaveh no efa niteny.

I Israely vaovao

19Ny tendrombohitr’i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba,

ary ny tanin’ny Filistinina ho an-dry zareo amin’ny Sefelah;

hanana ny faritanin’i Efraima izy ireo,

mbamin’ny faritanin’i Samaria;

ary ny any Benjamina hahalasa an’i Galaada.

20Ireo lasan-ko babo tamin’ny tafiky ny zanak’i Israely

hahalasa ny tanin’ny Kananeanina, hatrany Sareptà.

Ary ireo lasan-ko babo tamin’i Jerosalema izay any Sefarada

hanana ny tanàna any amin’i Negeba.

21Ka hisy Mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Siôna

hitsara ny tendrombohitr’i Esao;

ary ho an’i Iaveh ny Fanjakana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help