Lioka 2 - Malagasy Catholic Bible

Ny nahaterahan’i Jesoa sy ny famangian’ny mpiandry ondry

1Tamin’izany andro izany dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra:

2dia fony i Sirinosy no governoran’i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany.

3Dia samy nankany amin’ny tanàna niaviany avy izy rehetra mba hosoratana.

4Ary i Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy,

5mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izay bevohoka.

6Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan’i Maria,

7ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.

8Ary tamin’izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.

9Ary nisy Anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr’Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy.

10Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo:

11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.

12Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamban-jaza, sady mandry ao amin’ny fihinanam-bilona, ianareo.»

13Ary niaraka tamin’izay nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe:

14«Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»

15Ary rehefa nandao azy ireo ny Anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: «Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin’ny Tompo antsika izany.»

16Dia nankany haingana izy, ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zaza kely mandry amin’ny fihinanam-bilona;

17ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany.

18Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy;

19fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony.

20Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

Ny namoràna an’i Jesoa

21Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza, dia natao hoe Jesoa no Anarany, araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo izy.

Ny nanolorana an’i Jesoa tany an-Tempoly

22Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin’ny Tompo,

23araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe: «Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo,

24ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.»

25Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,

26sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.

27Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,

28dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

Ny «Nunc dimittis»

29«Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,

30fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,

31izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,

32dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao.»

Ny faminanian’i Simeôna

33Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy.

34Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: «Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina,

35– ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra - mba hiseho ny hevitry ny fo maro.»

Faminanian’i Ana

36Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny nahavirjiny azy,

37ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.

38Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.

Fiainana miafin’i Jesoa tany Nazareta

39Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.

40Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

I Jesoa niaraka amin’ireo mpampiana-dalàna

41Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;

42ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo,

43ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany.

44Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany;

45ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

46Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,

47ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.

48Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: «Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao.»

49Fa hoy Izy taminy: «Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?»

50Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy.

Mbola ny fiainana miafina tao Nazareta

51Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy; fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

52Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help