Jodita 8 - Malagasy Catholic Bible

3. I JoditaFilazana momba an’i Jodita

1Nampandrenesina ireo teny ireo i Jodita vehivavy mpitondra tena, zanaka vavin’i Merarì, zanak’i Josefa zanak’i Oziasa zanak’i Elaì zanak’i Jamnora zanak’i Jedeôna zanak’i Rafaima zanak’i Akitôba zanak’i Melkiasa zanak’i Enàna zanak’i Nataniasa zanak’i Salatiela zanak’i Simeôna zanak’i Israely.

2Maty tamin’ny fotoana fijinjana orja ny vadiny, atao hoe Manasesa.

3Ilay nijery ny mpijinja nifehy amboara teny antsaha iny io, no voan’ny hainandro mahery ny lohany, ka maty tao Betolia tanànany izy, dia nalevina tao, teo amin’ny razany.

4Efa telo taona sy enim-bolana no nitoetra ho mpitondra tena i Jodita.

5Nanao efitrano nitokana, teo ambony tafon-tranony izy, dia nitoetra nitokana tao niaraka tamin’ireo ankizivaviny.

6Nohodidininy lamba malailay ny valahany, ary nifady hanina isan’andro, nandritra ny andro niainany izy, afa-tsy tamin’ny andro sabata sy ny tsinam-bolana ary ny fetin’ny firenen’i Israely.

7Tsara tarehy indrindra izy, ary namelan’ny lahy harem-be, mpanompo maro, tany feno andian’omby aman’ondry.

8Nohajain’ny olona rehetra fatratra izy, fa lalina ny fahatahorany an’Andriamanitra, ka tsy nisy olona niteny ratsy azy, na dia indraimbava aza.

I Jodita sy ireo zokiolona

9Nony reny fa hoe nanome teny hanolotra ny tanàna i Oziasa, raha afaka hadimiana, naniraka tany amin’i Kabrì sy i Karmì lohan’ny vahoaka izy.

10Dia nankany aminy ireo, ka nilazany hoe: «Ahoana ange no nahasahian’i Oziasa nilaza fa hatolony amin’ny Asirianina ny tanàna, raha tsy mahazo vonjy ao anatin’ny hadimiana ianareo?

11Fa zovy moa ianareo no hizaha toetra ny Tompo toy izany?

12Tsy mba teny mitarika ny famindra-pony izany, fa vao mainka koa manesika Azy hitezitra sy mandrehitra ny fony hisafoaka.

13Nametra fotoana tsy maintsy hanehoan’ny Tompo ny famindram-pony ianareo, ary nanondro andro taminy araka ny sitraky ny fonareo!

14Mahari-po anefa ny Tompo, ka mivaloza isika amin’izany hadisoana izany; ary mangataha famelana amin-dranomaso.

15Fa tsy mba mandrahona toy ny fanaon’olombelona, Andriamanitra, na mba mirehi-pahatezerana toy ny zanak’olombelona.

16Ka aoka hanetry ny fanahintsika eo anatrehany isika; ary fo mietry no aoka hataontsika ao anatintsika fa izany no antonona ny mpanompony.

17Manaova an-dranomaso amin’ny Tompo mba hampahitany antsika ny asan’ny famindram-pony araka izay fomba tiany, mba hanjary fototry ny voninahitra ho antsika ny fietren-tenantsika toraka ny nampidiran’ny fiavonavonan’ny fahavalontsika tebiteby tao am-pontsika.

18Fa isika tsy mba nanaraka ny fahotan’ny razantsika, izay nahafoy ny Andriamaniny, sy nanompo andriamani-kafa,

19ka noho izany heloka izany dia natolotra ho amin’ny sabatra amam-pandrobana sy ho fandàtsan’ny fahavalony, fa isika kosa tsy mba mahalala andriamanitra hafa, afa-tsy Izy ihany.

20Andraso amim-panetren-tena ny fampiononany, fa hamaly ny rantsika, amin’ny fahavalontsika izay mampahory antsika, Izy; haetriny ny firenena mitsangan-kamely antsika; ary hanafotra henatra an’ireny Izy Tompo Andriamanitsika.»

21«Ary ankehitriny, ry ranadahy, noho ianareo loholon’ny vahoakan’Andriamanitra sy iankinan’ny ain’izy ireo, velomy indray amin’ny teninareo ny herim-pon’izy ireo, mba hahatsiarovany fa nozahan-toetra ny razantsika, hahitana raha tena manompo ny Andriamaniny tokoa izy ireo.

22Tsy maintsy tsarovany ny nizahan-toetra an’i Abrahama razantsika, sy ny niaretany fahoriana be, hahatongavany ho sakaizan’Andriamanitra.

23Toy izany koa i Isaaka, toy izany i Jakôba, toy izany i Môizy mbamin’izay rehetra nankasitrahin’Andriamanitra, dia niharam-pahoriana be izy ireo, nefa naharitra tsy nivadika.

24Fa ireo izay tsy mba nandray izany fizahan-toetra izany tamim-pahatahorana ny Tompo, fa nanarana ny tsy fandeferany ka nimonomonona nanome tsiny ny Tompo,

25ireo dia naripaky ny mpandringana sy nolevonin’ny bibilava.

26Koa aza mba mety mivarina amin’ny tsy fandeferana isika, noho izao fahoriana manjò antsika izao.

27Fa aoka izao fijaliana, izay kely noho ny fahotantsika izao dia hoheverintsika ho toy ny tsora-kazo amaizan’ny Tompo antsika, toy ny famaizana ny mpanompony hanatsarana antsika, aoka hinoantsika fa tsy ny hamerezana antsika no nanirahana azy amintsika.»

28Dia hoy i Oziasa sy ireo loholona, namaly azy: «Marina avokoa izany voalazanao izany, ka tsy misy azo kianina na dia iray aza.

29Koa ankehitriny mivavaha ho anay amin’Andriamanitra ianao.»

30Ary hoy i Jodita taminy: «Ekenareo fa avy amin’Andriamanitra izay mba voalazako;

31ka mba zahao koa raha avy aminy ihany izao kasaiko hatao izao, dia mivavaha amin’Andriamanitra mba homeny hery hanatanterahako izay hevitra kasaiko aho.

32Ianareo hijanona ao am-bavahady anio alina, izaho sy ny namako kosa hivoaka; dia mivavaha ianareo mba hitsinjo an’i Israely vahoakany ny Tompo ao anatin’ny hadimiana, araka ny voalazanareo.

33Tsy tiako anefa ny hanadihadianareo ny zavatra kasaiko hatao, fa mandra-piveriko hilaza aminareo ny amin’izany, dia aza manao na inona na inona, afa-tsy ny mivavaka ho ahy, amin’ny Tompo Andriamanitsika, ianareo.»

34Dia hoy i Oziasa, lehiben’i Jodà, taminy: «Mandehana soa aman-tsara ka homba anao anie ny Tompo hamaliana ny fahavalontsika.» Dia niala teo aminy izy ireo ka lasa nandeha.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help