Fanisana 27 - Malagasy Catholic Bible

Lova ho an’ny zanaka vavy

1Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.

2Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:

3«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.

4Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.»

5Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,

6ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

7«Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.

8Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy manan-janaka lahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany.

9Ary raha tsy manan-janaka vavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny lovany.

10Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.

11Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»

I Jôsoe filohan’ny vahoaka(Jereo Deter 31,1-8, 23; 34,9)

12Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara amin’io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak’i Israely.

13Hahita izany ianao, dia hangonina any amin’ny razanao tahaka ny nanangonana an’i Aarôna rahalahinao koa,

14satria ianareo tany amin’ny efitra Sina, ilay nilan’ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana Ahy teo imasony, ny amin’ny momba ny rano, dia ny ranon’i Meribà, any Kadesy, any an’efitra Sina.»

15Dia niteny tamin’i Iaveh i Môizy, nanao hoe:

16«Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.

17Ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Iaveh.»

18Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.

19Dia apetraho eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokany eo imason’izy ireo.

20Ametraho anjara amin’ny fahefanao izy, mba haneken’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra azy.

21Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra.

Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.

22Dia nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh azy: Naka an’i Jôsoe izy, nametraka azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra,

23ka nony efa nametra-tanana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help