Jeremia 2 - Malagasy Catholic Bible

Toriteny tany am-piandohana: nivadika tamin’Andriamanitra i Israely

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2«Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema

izao teny izao:»

Izao no lazain’i Iaveh:

«Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko,

fony ianao mbola tanora,

ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady;

dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra,

tany amin’ny tany tsy famafazana.

3Fahizany i Israely dia ilay zavatra voatokana ho an’i Iaveh,

dia ilay voaloham-bokany,

ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka,

ka nozoin-doza, - teny marin’i Iaveh. -

4Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry taranak’i Jakôba,

mbaminareo rehetra, fianakavian’ny taranak’i Israely.»

Izao no lazain’i Iaveh:

5«Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko,

no dia nihataka tamiko izy,

ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?

6Izy ireny tsy mba nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh,

izay nitondra antsika niakatra avy any amin’ny tany Ejipta,

nitari-dalana antsika tany an’efitra,

tany amin’ny tany ngàzana sady vaky hentana,

tany amin’ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana,

tany amin’ny tany tsy falehan’olona,

tsy onenan’olona?›

7Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa

no nitondrako anareo,

mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy.

Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko,

ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.

8Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?›

ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy:

ny mpitondra, nivadika tamiko;

ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala,

ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.

9Koa mbola hifandahatra aminareo Aho -

teny marin’i Iaveh, -

ary hifandahatra amin’ny zanaky ny zanakareo.

10Fa mità àry eny amin’ireo nosin’i Setima ka mijere;

maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara;

dia jereo raha mba misy izay toy izao any.

11Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va?

- nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!...

Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny,

amin’izay tsy mahasoa na inona na inona!

12Talanjòna amin’izany, ry lanitra,

mangovita sy mangorohoroa mafy ianareo,

- teny marin’i Iaveh. -

13Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako:

Nafoiny Aho,

Izaho loharanon’ny rano velona,

ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra,

tsy mahatan-drano

14Andevo va i Israely? Ompikely va izy?

Ka ahoana àry no itondrana azy toy ny babo?

15Mierona hamely azy ny liona tanora,

sy miloa-peo mafy,

ka mahatonga ny taniny ho lao.

Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.

16Ny taranak’i Nôfa sy i Tafnesa avy

no nanabory ny lohanao.

17Izany no mahazo anao,

moa tsy dia noho ianao nahafoy an’i Iaveh Andriamanitrao,

tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana?

18Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin’ny lalana mankany Ejipta,

handeha hisotro ny ranon’i Nila?

Ary inona ny ataonao eny amin’ny lalana mankany Asiria,

handeha hisotro ny rano amin’ny Ony?

19Ny haratsianao no mamely anao,

ary ny fiodinanao no manafay anao.

Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana,

ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao,

sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory,

- teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -

20Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao,

sy nanitosanao ny fatoranao,

ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!›

Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra,

sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny,

no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.

21Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka

tsara indrindra,

avy amin’ny fototra tena tsara avokoa.

Ka ahoana no dia niovanao amiko,

ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?

22Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao,

ka hataonao betsaka ny siravondrona,

mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao,

- teny marin’i Iaveh. -

23Ahoana no hilazanao hoe: ‹Tsy nandoto tena aho,

tsy nandeha nanaraka an’ireo Baala aho?›

Zahao ny dian-tongotrao ao amin’ny Lohasaha,

ka mieke ny nataonao!

Rameva vavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankarỳ ny diany,

24ampondra vavy dia, zatra efitra:

manimbolo ny rivotra izy, noho ny firehetan’ny filàny;

iza no hahasakana azy tsy hiarana amin’izay iriny?

Tsy hisasatra akory izay rehetra mitady azy,

fa mahita azy amin’ny volany.

25Tandremo mba tsy hiala kapa ny tongotrao,

ary mba tsy ho maina ny tendanao!

Nefa hoy ianao: ‹Tsy hisy antony tsinona!

Tsia, fa ny hafa tiako,

ka hanaraka an’ireny aho!›

26Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana

no fangaihain’ny taranak’i Israely,

dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny,

ny mpisorony ama-mpaminaniny,

27izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›;

sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.›

Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany,

ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy:

‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›

28Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao?

Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao

amin’ny andron’ny fahorianao.

Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao,

ry Jodà.

29Ahoana no ifandaharanareo amiko?

Nefa efa niodina tamiko avokoa ianareo,

- teny marin’i Iaveh.-

30Ny nikapohako ny zanakareo, foana;

fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo;

ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo,

hoatra ny liona mpandripaka.

31Taranaka ahoana re ianao izany e!

Diniho ny tenin’i Iaveh:

Moa tany efitra ho an’i Israely va Aho,

moa tany maizim-pito va?

Nahoana ny vahoakako no manao hoe:

‹Efa afaka izahay,

ka tsy hiverina aminao intsony?›

32Manadino ny firavany va ny zazavavy,

sy manadino ny fehinkibony ny fofom-bady?

Ny vahoakako kosa anefa nanadino Ahy,

hatramin’ny andro efa tsy hita isa!

33Akory izany fahaizanao mandamina ny lalanao

raha hitady fitia!

Noho izany na ny heloka aza,

ataonao zatra ny lalanao.

34Hatreny amin’ny rambon-dambanao eny,

no ahitana ny ran’olo-mahantra tsy manan-tsiny;

tsy azonao manamy trano izy ireo,

nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy.

35Dia hoy ianao: ‹Tsy manan-tsiny aho;

efa afaka tokoa ny fahatezerany tamiko.›

Indro hifandahatra aminao Aho,

amin’ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho!

36Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao!

Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao,

toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.

37Avy any ianao dia hiverina,

miloloha tanana;

satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao,

ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help