1Tamin’ny taona nahatongavan’i Tartana nirahin’i Sargona mpanjakan’i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy,
2tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
3Ary hoy i Iaveh:
«Toy ny nandehanan’i Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro,
fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona,
ho an’i Ejipta sy i Etiôpia izy,
4no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny babo avy any Ejipta;
sy ny voasesitany avy any Etiôpia,
na tovolahy, na lahiantitra,
tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana,
ho henatr’i Ejipta.
5Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay,
noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana,
sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.
6Amin’izany andro izany ny mponina eo amoron’ity ranomasina ity hanao hoe:
‹Izao lahy no nanjò an’ilay niankinantsika,
ilay noheverintsika mandositra hohatonina
hitady famonjena ary mba ho afaka
eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria?
Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra?› »
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.