1Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo;
2fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
3Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?
4Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?
5Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.
Tsy manazimba ny zavatra masina6Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Mandaitra ny fivavahana(Jereo Lk 11,9-13)7Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana;
8fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
9Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny;
10na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny?
11Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?
Fitsipika volamena(Jereo Lk 6,31)12Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Ny lalana roa(Jereo Lk 13,24; Deter 30,15; Sal 1,1)13Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;
14fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!
Ireo mpaminany sandoka(Jereo Apôk 13,11; 19,20; 2Pier 2,1-3)15Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
16ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery?
17Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
18Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
19Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
20ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
Ny tena mpianatra(Jereo Lk 6,46; 13,26-27; Mt 21,11-12)21Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
22Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay?
23Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
(Jereo Lk 6,47-49)24Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
25ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
26Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;
27ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.
Gaga ny vahoaka(Jereo Lk 7,1; Mk 1,22; Lk 4,32)28Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany,
29satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.