Izaia 50 - Malagasy Catholic Bible

Vonon-kamonjy hatrany Andriamanitra

1Izao no lazain’i Iaveh:

Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao,

nisaorako azy?

Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo?

Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany,

no nivarotana anareo;

noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.

2Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona?

Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly?

Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy?

Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka?

Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina,

zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony,

fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.

3Azoko tafiana fahamaintisana ny lanitra,

sy saronana amin’ny lamba fisaonana.

Hira fahatelon’ilay Mpanompon’i IavehA - Tenin’ilay Mpanompon’i Iaveh(Jereo Iz 42,1)

4Nomen’i Iaveh Tompo,

ny lelan’ny mpianatra aho,

mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko.

mamoha isa-maraina izy;

mamoha ny sofiko izy,

mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.

5Nosokafan’i Iaveh Tompo ny sofiko,

ary tsy mba nanohitra aho,

na nihemotra akory,

6Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;

ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;

ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.

7Fa i Iaveh Tompo namonjy ahy,

ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;

ka ny tavako nataoko manahaka ny afovato,

ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

8Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?

Aoka hifanatrika isika!

Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankatỳ amiko! -

9I Iaveh Tompo namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy?

He! ho kotikotika hoatra ny voro-damba izy rehetra,

ho lanin’ny kalalao!

B - Famporisihana hanaraka an’ilay Mpanompo

10Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh,

sy mihaino ny feon’ny Mpanompony?

Na iza na iza mandeha amin’ny maizina,

sy tsy manana fahazavana,

aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh,

sy hiankina amin’ny Andriamaniny!

11Fa ianareo rehetra nampirehitra afo kosa,

sy mandray zana-tsipìka mirehitra ho fiadiana,

mandehana amin’ny lelafonareo,

sy eo afovoan’ny zana-tsipìka narehitrareo!

Izao no hanjò anareo avy amin’ny tanako;

hampandrina amin’ny fahoriana ianareo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help