Fahendrena 11 - Malagasy Catholic Bible

1Ny tanan’ny mpaminany masina anankiray no nanambinan’ny fahendrena ny asany.

2Nomba lalana mamaky efitra tsy misy mponina izy ireo, ary nanangan-day tamin’ny tany tsy misy lalana.

3Voatohitr’izy ireo ny fahavalony, ary novaliany faty ny rafilahiny.

4Nangetaheta izy ka niantso Anao, dia nomena rano avy amin’ny haram-bato mideza, sy fanalana hetaheta avy amin’ny vato.

Ny rano nahavery ny Ejiptianina ary nahavonjy an’i Israely.

5Ny nahazo an’ireo fahavalony ho famaizana azy, nanjary fitahiana ho azy ireo tamin’ny fahoriany kosa.

6Satria tamin’ilay voaloton’ny ra maloto iny ny ranon’ilay ony tsy mety ritra,

7ho sazin’ilay didy nampamono ny zaza, dia rano ankabetsahana kosa no nomenao ny olonao, nefa zavatra tsy azo nampoizina velively akory izany.

8Ka nasehonao azy tamin’ny hetaheta nahazo azy ireo tamin’izany ny hamafin’ny famaizana amelezanao ny mpanohitra Anao.

9Taorian’izany fijaliana izany, na dia voasazy tamim-pamindram-po ihany aza izy dia nahalala ny hamafin’ny fampijaliana ahatra amin’ny tsy mpivavaka, tsaraina amin-katezerana.

10Ny sasany nofaizinao, toy ny fananatry ny ray, ny sasany kosa nasianao, toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny.

11Niharam-pijaliana avokoa, na ny tao na ny tsy tao.

12Alahelo roa sosona no nahazo azy ireo, ary nisento izy nahatsiaro ny zava-nitranga.

13Satria nony reny fa ny fampijaliana midona aminy, nody soa ho an’ny mpandositra, dia fantany fa ao ny tanan’ny Tompo.

14Fa ilay natonony fahizay sy nariany tamim-paniratsirana, dia nigagany, tamin’ny faran’ny zava-nitranga, nony voan’ny hetaheta hafa lavitra noho ny an’ny marina izy ireo.

Tsy nivatravatra tamin’ny Ejiptianina Andriamanitra

15Mba ho valin’ny hevitra adala, vokatry ny haratsian’izy ireo, izay nampirebireby azy sy nitarika azy hivavaka amim-biby mandady tsy manan-tsaina sy amin’ny biby ratsy foana, dia nandefasanao biby kentrina maro be izy ireo, ho famaizana azy;

16mba hampahafantatra azy fa izay nanotan’ny olona no enti-mamay azy koa.

17Tsy sarotra amin’ny tananao mahefa ny zavatra rehetra, izay nahary izao tontolo izao tamin’ny zavatra tsy nisy endrika, ny maniraka orsa na liona maro be hamely azy ireo,

18na biby vao noarîna, romotra sy tsy fantatra, miaina amim-pofona mirehitra, mandefa fofon’aina setroka maimbo, na mandefa tselatra mahatahotra, amin’ny masony,

19afa-mamono mahafaty tsy amin’ny famelezana maharàtra ihany, fa amin’ny fijerena azy fotsiny koa mampahatsiravina ambony ihany.

20Ary na tsy izany aza, nety maty tamin’ny fofona fotsiny izy ireny, enjehin’ny fahamarinana, ka foanan’ny fofon’ain’ny herinao. Fa nalaminao an-danjany ny zavatra rehetra, ka miditra an’isany sy an-tsipiriany avokoa.

Antony tsy nampivatravatra an’Andriamanitra

21Fa tohanan’ny fahefana ambony indrindra mandrakariva ny didinao, ka zovy no hahatohana ny herin’ny sandrinao?

22Zava-madinika indrindra manindry mizàna, izao tontolo izao eo anoloanao, ando maraina indray mitete latsaka amin’ny tany.

23Noho Ianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan’ny olombelona mba hibebahany.

24Satria tianao avokoa ny zava-boaary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.

25Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisînao?

26Mamela azy rehetra anefa Ianao satria Anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin’ny olona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help