Mpit 9 - Malagasy Catholic Bible

1Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao

ary hitako tsara izao rehetra izao:

Eo an-tanan’Andriamanitra ny marina sy ny hendry

mbamin’ny asany rehetra;

tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana;

eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.

2Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra;

sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy,

ny tsara sady madio, sy ny tsy madio,

ny manao sorona sy ny tsy manao sorona;

izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa;

izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.

3Zavatra ratsy anankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro

dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara;

ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona.

ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana.

Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.

4Fa raha anisan’ny velona, dia mbola misy fanantenana,

aleo amboa velona, toy izay liona maty.

5Fa ny velona mahalala fa ho faty izy;

fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,

ary tsy manan-tamby intsony izy

fa hadino ny fahatsiarovana azy.

6Levona sahady ny fitiavany,

sy ny fankahalany amam-pialonany;

ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy

amin’izay atao atỳ ambany masoandro intsony.

7Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao,

ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao;

fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.

8Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao;

ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.

9Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao,

mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao

izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro,

dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao,

fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity,

sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.

10Izay rehetra azon’ny tananao atao,

dia ataovy amin-kerim-po;

fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana,

na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.

3. Ny anjara

11Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro

fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra;

na ny ady an’ny mahery fo

na ny hanina an’ny hendry

na ny harena an’ny mahalala

na ny tombon-tsoa an’ny mahay

fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.

12Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona;

toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana,

sy toy ny vorona voan’ny fandrika,

tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona

dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana,

raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.

13Izao koa no fahendrena hitako tatỳ ambany masoandro,

ka nataoko ho lehibe izy io.

14Nisy tanàna kely anankiray vitsy mponina ao anatiny;

nalehan’ny mpanjaka mahery, nataony fahirano,

sy nananganany tilikambo avo hamelezana azy.

15Fa nisy mahantra sy hendry kosa tao,

ka namonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny.

Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona

16Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery;

nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra,

ary tsy henoina akory ny teniny.

17Ny tenin’ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara,

mihoatra noho ny fitreron’ny mpanapaka eo afovoan’ny adala.

18Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady;

nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help