1Ny alin’izay, tsy nety nahita tory ny mpanjaka, ka nasainy nalaina ny bokin’ny tetiarana dia ny Tantara, dia novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany;
2ka sendra ny filazana ny nanambaràn’i Mardokea ny momba an’i Bagatàna sy i Taresa, ireo roa lahy eonòkan’ny mpanjaka, mpiambina ny lapa, izay nitady hamono an’i Asoerosy mpanjaka.
3Ka hoy ny mpanjaka: «Inona moa no mba mari-boninahitra amam-pisandratana efa nomena an’i Mardokea noho izany?» - «Tsy mbola misy nomena azy na kely akory aza,» hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanana anjara raharaha teo aminy.
4Dia hoy ny mpanjaka: «Iza no ao an-kianja?» - «I Amàna izany, efa tonga tao an-kianja ivelan’ny tranon’ny mpanjaka, hangataka amin’ny mpanjaka ny hanantonana an’i Mardokea eo amin’ilay hazo efa namboarina ho azy.»
5Ka hoy ireto mpanompon’ny mpanjaka namaly azy: «I Amàna io mitoetra ao an-kianja io.» Dia hoy ny mpanjaka: «Aoka hiditra izy.»
6Nony niditra i Amàna, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no tokony hatao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?» Ary hoy i Amàna anakampo: «Iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra eo, afa-tsy izaho.»
7Ka dia hoy i Amàna tamin’ny mpanjaka: «Ny hatao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,
8dia tokony halaina ny akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka, sy ny soavaly efa nitaingenan’ny mpanjaka, ary asiana satroboninahitra fiandrianana ny lohany,
9dia atolotra ny iray amin’ireo lehiben’ny mpanjaka ambony izany fitafiana sy soavaly izany, dia hampiakanjoina an’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra, sy hitondrana azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary hiantsoany eo alohany hoe: Toy izao no atao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!»
10Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Amàna: «Alaonao faingana àry ny fitafiana sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka ataovy izany amin’i Markôdea ilay Jody, mipetraka ao am-bavahadin’ny mpanjaka, aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.»
11Koa nalain’i Amàna ny akanjo sy ny soavaly dia nampiakanjo an’i Mardokea izy, sy nitondra azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary niantso teo alohany hoe: «Toy izao no atao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.»
12Dia niverina nankeo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mardokea, ary i Amàna dia nody faingana nankany aminy, niferin’aina, nisaron-doha,
13nitantara izay rehetra nanjò azy tamin’i Zaresa vadiny sy ireo sakaizany rehetra. Ary hoy ny olon-kendriny sy i Zaresa vadiny taminy: «Raha avy amin’ny taranaky ny Jody i Mardokea, izay efa niantomboka nahalavo anao teo anatrehany sahady, dia tsy ho azonao asiana na inona na inona, fa ianao mihitsy no ho lavo eo anatrehany.»
I Amàna eo amin’ny fanasan’i Estera14Mbola miteny aminy eo izy ireo dia indreo tonga ny eonòkan’ny mpanjaka, ka nitondra faingana an’i Amàna ho any amin’ny fanasana namboarin’i Estera.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.