1Teny momba an’i Niniva. Boky milaza ny fahitan’i Nahoma
avy any Elkosy.
SalamoHatezeran’i IavehAlef2Andriamanitra saro-piaro sy mpamaly heloka i Iaveh;
mpamaly heloka i Iaveh; sady mahalala fahatezerana;
mamaly izay manohitra Azy i Iaveh,
sady mitahiry fahatezerana amin’ny fahavalony.
3Mahari-po ela i Iaveh sady be hery
ary tsy misy meloka avelany fotsiny.
BetTadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh,
ary rahona no vovoka diaviny.
Gimel4Mandrahona ny ranomasina izy dia ataony maina;
ary ataony ritra ny ony rehetra.
DaletMalazo i Basàna sy i Karmely,
malazo koa ny zava-manirin’i Libàna.
He5Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany,
ary miempo ny havoana;
Vaomientanentana ny tany eo anatrehany,
dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.
Jain6Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany?
HetZovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany?
Mitatra toy ny afo ny fahatezerany,
ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.
Tet7Tsara fo i Iaveh;
IodFiarovana amin’ny androm-pahoriana Izy.
ary mahalala izay matoky Azy
Kaf8Hofoanany amin’ny riaka manafotra izany fitoerana izany;
ary hoenjehina hatrany anatin’ny haizina ny fahavalony.
Teny fitsarana faminaniana ho an’i Jodà sy i Niniva (ho an’i Jodà)9Inona no hevitrao ny amin’i Iaveh?
hotanterahiny ny fandravana:
tsy hipoitra fanindroany ny fahoriana.
10Fa nifaningotra toy ny tsilo
sy toy ny leon’ny divainy izy ireo,
ka ho levona toy ny mololo karankaina.
(Ho an’i Asora)11Avy taminao no nivoahan’ilay misain-dratsy hanoherana an’i Iaveh,
izay mamoron-kevitra mahameloka.
(Ho an’i Jodà)12Izao no lazain’i Iaveh:
Na dia tsy latsaka isa sady maro aza izy ireo,
dia hojinjaina ary tsy hisy intsony.
Efa nanetry anao Aho, ka tsy hanetry anao intsony.
13Ary ankehitriny, ry Jodà ô,
hotapahiko hiala aminao ny jiogany;
ary hatòsako ny famatorana anao.
(Ho an’ny Mpanjakan’i Niniva)14Ny aminao kosa, izao no voadidin’i Iaveh:
Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao;
hofoanako ao an-tranon’ny Andriamanitrao
ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina;
manomam-pasana ho anao Aho satria latsa-danja ianao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.