Mpitsara 12 - Malagasy Catholic Bible

1Nivory ny lehilahy amin’i Efraima, ka nandeha nankany Sefôra, nanao tamin’i Jefte hoe: «Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna ianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin’ny tenanao».

2Dia izao no navalin’i Jefte azy ireo: «Mbola nifamaly mafy tamin’ny taranak’i Amôna izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.

3Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanako ireny. Ka nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hiady amiko?»

4Dia namory ny lehilahy rehetra amin’i Galaada i Jefte, ka niady tamin’i Efraima. Noresen’ny lehilahin’i Galaada ny an’i Efraima izay efa nilaza nanao hoe: «Ianareo, ry Galaadita, dia mpandositra fotsiny avy amin’i Efraima, ao afovoan’i Efraima sy i Manase».

5Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»

6Dia hoy izy ireo manao hoe: «Tonòny àry ny hoe: Skibôleta.» Ary izy kosa manao hoe: «Sibôleta», fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan’ny fitàna an’i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin’i Efraima maty tamin’izany andro izany.

7Nitsara an’i Israely enin-taona i Jefte; raha efa izany dia maty i Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Galaada.

9. I ABESANA

8Ary taorian’izy io dia i Abesàna, avy any Betlehema, no mpitsara tamin’i Israely.

9Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.

10Raha efa izany dia maty i Abesàna ka nalevina tany Betlehema.

10. I AHIALÔNA

11Taorian’izy io dia i Ahialôna avy any Zabolôna no mpitsara tamin’i Israely.

12Raha efa izany dia maty i Ahialôna avy any Zabolôna ka nalevina tao Ajalôna amin’ny tanin’i Zabolôna.

11. I ABDÔNA

13Taorian’izy io, dia i Abdôna, zanak’i Ilela, avy any Faratôna, no mpitsara tamin’i Israely.

14Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.

15Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin’i Israely.

16Raha efa izany dia maty i Abdôna zanak’i Ilela, avy ao Faratôna, ka nalevina tao Faratôna amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalesita.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help