1 Fihirana fiakarana.
Ry Iaveh, tsarovy i Davida,
sy ny fahasahiranany rehetra!
2Izao no fianianana nataony tamin’i Iaveh,
izao no voadiny tamin’ny Maherin’i Jakôba:
3Tsy hiditra ao an-day fitoerako aho,
na hiakatra eo am-parafara fialako sasatra,
4na hamela ny masoko hatory,
na ny hodi-masoko ho rendremana akory,
5mandra-pahitako fitoerana ho an’i Iaveh,
sy fonenana ho an’ny Maherin’i Jakôba.
6Indro rentsika fa hoe any Efratà izy;
hitantsika tany an-tsahan’i Jaara izy.
7Andeha ho ao amin’ny tabernaklan’i Iaveh,
miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo fitoeran-tongony isika.
8Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao,
ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!
9Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao,
ary hihoby amim-piravoravoana anie ny mpino Anao.
10Noho ny amin’i Davida mpanomponao,
aza manifika ny tavan’ny Voahosotrao.
11I Iaveh nianiana marina tamin’i Davida,
ka tsy hitsoaka amin’izany:
Ny ateraky ny kibonao,
no hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.
12Raha tandreman’ny zanakao ny fanekeko,
mbamin’ny didy hampianariko azy,
dia hipetraka mandrakizay,
eo amin’ny seza fiandriananao koa ny zanany.
13Fa i Iaveh efa nifidy an’i Siôna,
sy naniry ho fonenany.
14Ity no toerana fitsaharako mandrakizay;
eto no honenako fa efa niriko.
15Horotsahako fanambinana sesehena ny fivelomany;
hovokisako hanina ny mahantrany.
16Hotafîko famonjena ny mpisorony;
ary hihoby amim-piravoravoana ny mpino ao.
17Hohalehibeaziko ao ny fahefan’i Davida;
hamboatra fanilo ho an’ny Voahosotro aho.
18Hofonosiko henatra ny fahavalony,
ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satroboninahiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.