1Salamo. Hira amin’ny fitokanana ny trano. Nataon’i Davida.
2Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao,
tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.
3Iaveh Andriamanitro ô,
nitaraina taminao aho, dia nositraninao.
4Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao;
nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
5Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy,
mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.
6Fa indray mipi-maso no aharetan’ny fahatezerany,
ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany;
ny hariva no tonga ny fitomaniana,
ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.
7Hoy aho, raha mbola be ny tokiko:
Tsy hangozohozo mandrakizay aho.
8Iaveh ô, noho ny fahasoavanao dia nohamafisinao ny tendrombohitro; -
nanafina ny Tavanao Ianao ka nitebiteby aho.
9Niantso Anao aho, ry Iaveh,
nitaraina tamin’i Iaveh aho:
10Mampaninona Anao moa ny mandatsa-dra ahy,
sy mampidina ahy any an-davaka?
Hidera Anao va ny vovoka;
hanambara ny fahamarinanao va izy?
11Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho;
Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -
12Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao,
namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
13mba hankalaza Anao ny fanahiko ka tsy hangina.
Iaveh Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.