1 Vavak’i Davida.
Mandrenesa, ry Iaveh, ekeo vavaka aho,
fa ory sy mahantra aho.
2Arovy ny fanahiko, fa tia vavaka aho,
vonjeo ny mpanomponao, ry Andriamanitro ô;
fa Ianao no ametrahany ny fitokiany!
3Mamindrà fo amiko, ry Tompo ô,
fa mitaraina aminao, manontolo andro, aho!
4Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao,
fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
5Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo,
ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
6Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako,
henoy tsara ny feon’ny fitarainako.
7Miantso Anao amin’ny andron’ny fahoriako, aho,
ka hamaly vavaka ahy, Ianao.
8Tsy misy toa Anao eo amin’ireo andriamanitra,
tsy misy mahatakatra ny asanao, ry Tompo.
9Ho avy ny firenena rehetra nataonao,
hiankohoka eo anatrehanao, Tompo,
ka hanome voninahitra ny Anaranao.
10Fa lehibe sy mahavita fahagagana Ianao,
Ianao irery no Andriamanitra.
11Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh;
fa te-handeha amin’ny fahitsianao!
Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
12Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
ary hanome voninahitra ny Anaranao mandrakizay.
13Fa lehibe ny hatsaram-ponao amiko,
notsoahanao tany amin’ny Seoly ny fanahiko.
14Andriamanitra ô, mitsangan-kamely ahy ny mpiavonavona,
mitady ny aiko ny antokon’olona mpanao an-keriny,
ka tsy asiany raharaha akory Ianao.
15Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
16Mitodiha atỳ amiko, ka amindrao fo aho;
omeo ny herinao ny mpanomponao;
ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
17Aharihario ny indrafonao amiko,
ka hahita izany ny fahavaloko, dia ho menatra!
Fa Ianao, ry Iaveh, no mamonjy sy mampionona ahy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.