Sôfônia 1 - Malagasy Catholic Bible

1Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Sôfônia, zanak’i Kozì, zanak’i Godoliasa, zanak’i Amariaza, zanak’i Ezekiasa, tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà.

1. NY ANDRON’I IAVEH AO AMIN’NY JODÀNy ataon’i Iaveh mialoha eo amin’izao tontolo izao

2Hoesoriko eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra,

- teny marin’i Iaveh; -

3Hoesoriko ny olombelona sy ny biby;

hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina,

ary ny fanafintohinana mbamin’ny ratsy fanahy;

ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona,

- teny marin’i Iaveh. -

Famelezana ny fanompoan-tsampy

4Dia haninji-tanana hamely an’i Jodà Aho,

sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema,

ary haringako amin’ity fitoerana ity ny sisan’i Baala,

ny anaran’ny mpandraharahany miaraka amin’ny mpisorona.

5Ireo miankohoka eny ambonin’ny tafon-trano,

eo anatrehan’ny tafiky ny lanitra;

sy ireo miankohoka manao fianianana amin’i Iaveh,

sady mianiana amin’ny mpanjakany;

6sy ireo mihataka miala amin’i Iaveh,

izay tsy mitady an’i Iaveh,

ary tsy manan-draharaha Aminy akory.

7Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh,

fa efa akaiky ny andron’i Iaveh,

satria efa nanomana sorona i Iaveh,

efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.

Famelezana ireo ambony tany amin’ny lapa

8Ary izao no hitranga: Amin’ny andron’ny soron’i Iaveh

hofaizako ny mpanapaka

sy ny zanak’andriana,

mbamin’izay rehetra manao fitafian’ny hafa firenena.

9Hofaizako avokoa amin’izany andro izany,

izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana,

ka nameno fahasahiana amam-pitaka

ny tranon’ny tompony.

Famelezana ny mpivarotr’i Jerosalema

10Amin’izany andro izany dia izao no hatao,

- teny marin’i Iaveh: -

Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin’ny hazandrano;

hisy hitarainana, avy ao an-tanàna faharoa;

ary hisy kotrokotroka be avy amin’ny havoana.

11Midradradradrà, ry mponina ao amin’ny Feta,

fa ringana avokoa ny vahoaka kananeanina,

levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.

Famelezana ny tsy mpino

12Izao no hatao amin’izany andro izany:

Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema,

ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany,

izay manao anakampo hoe:

Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!

13Hatolotra hobaboina, ny fananany,

ary hatolotra horavana ny tranony;

hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao;

hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin’izany.

Ny andron’i Iaveh

14Efa akaiky ny andro lehiben’i Iaveh,

efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana!

Injay migàdona ny andron’i Iaveh!

Ho velon-taraina mangidy amin’izay ny olo-mahery fo.

15Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana,

androm-pahoriana aman-tebiteby,

andro fahalahelovana amam-pandravana,

androm-pahamaizinana sy fanjombonana,

andro mandrahona sady manjavona mainty,

16andron’ny trômpetra sy ny fanairana,

eo ambonin’ny tanàna mimanda, mbamin’ny nongonongona avo amin’ny manda.

17Halatsako am-pahoriana ny olona,

ka hiraparapa toy ny jamba,

satria nanota tamin’i Iaveh izy.

Hiraraka toy ny vovoka ny rany,

ary toy ny zezika ny nofony.

18Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany,

amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh;

holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany;

fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka,

ny mponina rehetra amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help