1«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh.
2Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.
3Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
4ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.
5Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
6«Raha biby madinika, lahy na vavy, no aterina ho sorom-pihavanana amin’i Iaveh, dia izay tsy misy kilema no aterina.»
7«Raha zanak’ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.
8Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely.
9Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy;
10ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany; ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany.
11Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
12«Raha osy vavy ny fanatiny, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.
13Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely.
14Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, amin’ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin’ny tsinainy,
15ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.
16Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra.
17Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.