Deterônômy 19 - Malagasy Catholic Bible

LALANA MOMBA NY VALY ARAKA NY NATAOIzay nahafaty olona sy ny tanàna fialofana

1Rehefa voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena izay omen’i Iaveh anao ny taniny, rehefa voaroakanao izy, fa ianao no efa monina amin’ny tanànany sy ny tranony,

2dia manokàna tanàna telo eo afovoan’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.

3Ataovy tsara voatra ny lalana mankao, ary zarao ho faritany telo ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao, mba hahazoan’izay mahafaty olona rehetra mandositra amin’ireo tanàna ireo.

4Toy izao ny hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha.

5Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an’ala, miaraka amin’ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, fa mitsoaka amin’ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina.

6Raha tsy izany dia henjehin’ny mpamaly ra mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin’ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao hala volo teo aloha.

7Izany no anomezako anao izao didy izao: Manokàna tanàna telo.

8Ary raha itarin’i Iaveh Andriamanitrao ny faritaninao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao; ka omeny anao avokoa ny tany rehetra nampanantenainy ny razanao homena anao,

9raha toa ianao mitandrina sy manaraka izao didy rehetra omeko anao anio izao, amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao sy amin’ny fizorana amin’ny lalany mandrakariva, - dia ampio telo koa ireo tanàna telo ireo,

10mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.

11Fa raha olona mankahala ny namany kosa no manotrika hamely azy, ka irotsahany sy asiany ka mahafaty azy tokoa, ary mandositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo,

12dia haniraka hisambotra azy ny loholona amin’ny tanànany, sy hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, mba ho faty izy.

13Aza miantra azy ny masonao fa esory amin’i Israely ny ra tsy manan-tsiny, dia hiadana ianao.

Ny orim-bato

14Aza mamindra ny orim-baton’ny namanao efa vitan’ny razany amin’ny lova ho azonao eny amin’ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.

Ny vavolombelona

15Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin’ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin’ny vavolombelona roa na tenin’ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.

16Raha misy vavolombelona mitsangana hanomboka olona ho nanao heloka,

17dia hiseho eo anatrehan’i Iaveh izy roalahy miady, eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara izay tompon’anjara raharaha amin’izany andro izany;

18ary hanao famotorana tsara ny mpitsara, koa raha hita fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona, fa nanao filazana tsy marina niampangany ny rahalahiny,

19dia ampiharo aminy izay nokendreny hatao amin’ny rahalahiny. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

20Rehefa handre izany ny olon-kafa dia hatahotra ary tsy hisy sahy hanao zavatra ratsy tahaka izany eo aminao intsony.

Ny valy araka ny natao

21Aza miantra maso akory: aina no solon’ny aina, maso no solon’ny maso, nify no solon’ny nify, tanana no solon’ny tanana, tongotra no solon’ny tongotra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help