Jeremia 11 - Malagasy Catholic Bible

I Jeremia sy ny teny fanekem-pihavanana(Jereo Jer 7,21-28)

1Ny teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia toy izao:

2Mihainoa ny teny amin’izao fanekena izao, ianareo;

ary mitenena amin’ny olona any Jodà,

sy amin’ny mponina ao Jerosalema,

3ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh,

Andriamanitr’i Israely:

«Ho voaozona ny olona tsy mihaino

ny tenin’ity fanekena ity,

4izay nandidiako ny razanareo,

tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe:

Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany,

araka izay rehetra andidiako anareo,

dia ianareo ho oloko,

ary izaho ho Andriamanitrareo;

5mba hanatanterahako ny fianianana,

nataoko tamin’ny razanareo,

dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely,

araka izao hita izao.»

Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»

6Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Torio any an-tanànan’i Jodà sy eny an-dalamben’i Jerosalema

izany teny rehetra izany ka ataovy hoe:

Henoy ny teny amin’ity fanekena ity,

ka tanteraho amin’ny asa izany.

7Fa ny razanareo efa nanariko mafy;

hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

ka mandraka androany;

tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe:

Henoy ny feoko!

8Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina;

fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny;

ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity,

izay nandidiako azy hotandremany;

nefa tsy notandremany.»

9Hoy i Iaveh tamiko:

«Nisy firaisan-tetika hikomy tao amin’ny olon’i Jodà,

sy amin’ny mponin’i Jerosalema.

10Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany,

izay nandà tsy hihaino ny teniko;

ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny.

Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany,

ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»

11Noho izany, izao no lazain’i Iaveh:

«Indro Aho hahatonga loza aminy,

tsy ho azony idifiana.

Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.

12Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema

hiantso an’ireo andriamanitra

nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory,

amin’ny andron’ny fahoriany.

13Fa araka ny isan’ny tanànanao,

no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà;

ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema,

no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka,

dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.

14Ary ianao, aza mifona ho an’ity firenena ity,

na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy;

fa tsy hihaino azy akory Aho,

raha avy izay hitarainany Amiko,

amin’ny andron’ny fahoriany.

Faniniana an’ireo mpankao amin’ny Tempoly(Jereo Jer 7,1-15; 21; 28)

15Inona no hataon’ny malalako ao an-tranoko?

Fihatsarambelatsihy va?

Moa va ny voady aman-kena masina,

hahafaka anao amin’ny loza manindry anao,

no mety mirobiroby amin’ny firavoravoana ianao?

16Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy,

no anarana nomen’i Iaveh anao.

Ary tamin’ny horakoraka be,

no nandrehetany afo taminy,

ka tapaka ny rantsany.

17I Iavehn’ny tafika izay namboly anao,

no nandidy ny loza hanjò anao.

Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà,

izay nataony hihatsy ny hatezerako,

tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»

I Jeremia enjehina ao Anatôta(Jereo Jer 15,10)

18Nampahalalain’i Iaveh aho, ka nahalala;...

nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!

19Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika

entin’ny olona hovonoina,

ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:

«Fongory mbamin’ny voany ny hazo!

Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy

ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»

20Mitsara ara-drariny anefa i Iavehn’ny tafika;

mamantatra ny voa sy ny fo Izy.

Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,

fa ianao no efa nanankinako ny adiko.

21Ka dia izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’ireo olona ao Anatôta,

izay mitady ny ainao, sy manao hoe:

Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh,

raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao!

22Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Indro aho hamay azy ireo,

ny zatovo, ho fatin’ny sabatra;

ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary;

ary tsy hisy miangana aminy;

23fa hahatonga loza amin’ny olona ao Anatôta Aho,

amin’ny taona hamangiako azy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help