Esdrasa 5 - Malagasy Catholic Bible

1Ary ireo mpaminany, i Akzea mpaminany sy i Zakaria zanak’i Adô dia naminany tamin’ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin’ny Anaran’ny Andriamanitr’i Israely izay nanindry azy.

2Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy.

3Tamin’io fotoana io ihany dia tonga tao amin’izy ireo i Tatanaì, governoran’ny any an-dafin’ny ony, mbamin’i Starbôzanay sy ny namany, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?»

4Dia niteny taminy izahay ka nilaza taminy ny anaran’ireo lehilahy manao ny trano.

5Nitsinjo an’ireo loholon’ny Jody anefa ny mason’ny Andriamanitr’izy ireo, ka tsy nasainy hitsahatra amin’ny asany izy, mandra-pahatongan’ny filazana ny raharaha tany amin’i Dariosa sy niverenan’ny taratasy momba izany.

6Izao no kôpian’ny taratasy ho an’i Dariosa mpanjaka, nalefan’i Tatanaì, governoran’ny eny an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin’ny ony.

7Nandefa filazana taminy izy ka izao no voasoratra ao aminy:

Fiadanana tanteraka anie ho an’i Dariosa mpanjaka!

8Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa teny amin’ny faritanin’i Jodà, amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe, izahay. Vato makadiry no anaovany azy, ary ny hazo dia halatsaka amin’ny rindrina, atao amim-pahazotoana ny asa, ary mandroso tsara ao an-tanan’izy ireo.

9Nanontanianay ireo loholona ireo, nataonay hoe: Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity, sy hanangana ireo manda ireo?

10Nanontanianay azy koa ny anaran’izy ireo, mba hampahafantarinay anao, mba halatsaka an-tsoratra ny anaran’ireo lohany.

11Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon’ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan’ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely.

12Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razany dia natolony ho eo an-tanan’i Nabokodonozora ilay Kaldeanina, mpanjakan’i Babilôna, dia noravan’izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilôna ny vahoaka.

13Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Babilôna kosa anefa, namoaka didy manome lalana ny hanaovana io tranon’Andriamanitra io indray i Sirosa mpanjaka.

14Ary i Sirosa mpanjaka aza, dia nanala avy ao amin’ny tempolin’i Babilôna ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany Jerosalema ka nentiny ho ao amin’ny tempolin’i Babilôna, dia natolotra an’ilay atao hoe Sasabasara, notendreny ho governora,

15sy nilazany hoe: Raiso ireto fanaka ireto, ka mandehana apetraho ao amin’ny tempoly any Jerosalema, ary aoka hatsangana eo amin’izay niorenany ny tranon’Andriamanitra.

16Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema, ka hatramin’izay andro izay ka mandrak’ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa.

17Koa ankehitriny, raha sitraky ny mpanjaka, aoka hokarohina ao an-trano firaketan’ny mpanjaka any Babilôna raha misy didy navoakan’i Sirosa mpanjaka, momba ny fanaovana io tranon’Andriamanitra ao Jerosalema io. Ka rehefa izany, dia aoka hambaran’ny mpanjaka aminay, izay sitrapony ny amin’izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help