1Tsarovy ny Mpahary anao,
amin’ny andron’ny fahatanoranao,
dieny tsy mbola tonga ny andro ratsy
ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe:
- Tsy sitrako izao.
2Dieny mbola tsy maizina ny masoandro,
sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana,
ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian’ny orana,
3amin’ny andro angovitan’ny mpiandry trano,
ikainkonan’ny lehilahy matanjaka,
iatoan’ny ankizy vavy mitoto, fa mihavitsy isa;
ihamaizinan’ireo mitazana eo am-baravarankely,
4ikatonan’ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe,
naha mihamalemy ny feon’ny vato fikosoham-bary,
izay itsanganan’ny olona mandre ny feon’ny voronkely,
sy ahalasanan’ny ankizy vavy mpihira rehetra,
5amin’izay atahoran’ny olona ny eny amin’ny fitoerana avo,
izay ivadihan’ny olona fo eny an-dalambe,
amin’izay amonian’ny amandie,
sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra,
ary tsy hisy asany intsony ny kapra,
fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona,
ary mitety ny arabe ny mpitomany;
6Dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy,
mbola tsy vaky ny tamaboa volamena,
mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano,
mbola tsy tapaka ny bolaky
ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;
7dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka,
araka ny toetrany taloha indray,
ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
8Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny,
zava-poana ny zavatra rehetra.
Teny famaranana9Afa-tsy ny maha olon-kendry ny Mpitory teny,
dia nampianatra ny fahaizana ny vahoaka koa izy;
nandinika sy nandanjalanja izy,
ary nandahatra oha-teny maro.
10Nikely aina ny Mpitory teny hahita fomba fiteny mahafinaritra,
sy hanoratra tenim-pahamarinana araka ny hitsiny.
11Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana omby;
ny boky nanangonana azy toy ny fantsika voahombo;
atolotry ny Mpiandry iray monja ireo teny ireo.
12Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra ianao.
Fa ny manampy manampy boky ihany, tsy hisy farany;
ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.
13Famaranana ny lahateny, rehefa heno avokoa izy rehetra:
Matahora an’Andriamanitra ary mitandrema ny didiny,
fa izany tokana no izy amin’ny olombelona;
14satria holazain’Andriamanitra amin’ny fitsarana avokoa,
ny zava-miafina rehetra,
mbamin’ny asa rehetra, na tsara na ratsy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.