Ezekiela 13 - Malagasy Catholic Bible

Teny mamely ny mpaminany sandoka(Jereo Jer 14,13-16; 23,9-40; 27,9-10, 16-18, 28)

1Tonga ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany;

ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo:

3Izao no tenin’i Iaveh Tompo:

Loza ho an’ny mpaminany adala,

izay manaraka ny sainy fotsiny,

fa tsy mahita na inona na inona!

4Toy ny fosa an-tanàna haolo

dia toy izany ny mpaminaninao, ry Israely ô!

5Tsy niakatra ho eo amin’ny banga ianareo,

na nanangana manda manodidina ny taranak’i Israely,

mba hifaharany amin’ny ady, amin’ny andron’i Iaveh.

6Fahitana tsy misy fotony ny azy,

ary faminaniana mamitaka

no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»;

nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh,

ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.

7Tsy fahitana foana va no hitanareo,

tsy faminaniana lainga va no lazainareo,

raha hoy ianareo: «Teny marin’i Iaveh!»

nefa Aho tsy nilaza tsinona?

8Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Noho ianareo milaza zava-poana,

sady fahitana lainga, ny anareo,

dia indro Aho ho tonga atỳ aminareo

- Teny marin’i Iaveh. -

9Ny tanako hamely an’ireo mpaminany

mahazo fahitana tsy misy fotony,

sy faminaniana lainga:

tsy ho eo amin’ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy;

na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’i Israely;

ary tsy hiditra ao amin’ny tanin’i Israely;

- dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo Aho, -

10noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako,

nanao hoe: «Fiadanana!» nefa tsy nisy fiadanana tsinona.

Manao manda ny vahoakako,

dia indreny izy mandalotra sokay an’izany!

11Dia lazao amin’izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda.

Ho avy ny ora-mahery!

Milatsaha, ry havandra vato!

Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!

12Indro, nirodana ny manda!

Tsy hilazan’ny olona va ianareo, hataony hoe:

«Aiza ity sokay nandaloranareo azy?»

13Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako;

hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako;

sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.

14Harodako ny manda nolalorinareo sokay;

hazerako amin’ny tany izy;

ka hihanjahanja eo ny fanambaniny;

hirodana izy, ary ianareo ho faty eo amin’ny antontany;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

15Hanala fo ny hatezerako amin’ny manda Aho,

sy amin’izay nandalotra sokay azy,

ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda!

Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy,

16dia ireo mpaminanin’i Israely, izay naminany ny amin’i Jerosalema,

sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy;

nefa tsy nisy fiadanana tsinona;

- Teny marin’i Iaveh Tompo. -

Ireo mpaminany vavy sandoka

17Ary ianao, ry zanak’olona, atodiho ny tavanao,

hanandrina ireo zanaka vavin’ny firenenao,

izay maminany araka ny sitrapony;

ka maminania famelezana azy hoe:

18Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana,

ho an’ny famavanin-tanana rehetra;

sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra;

mba hihaza fanahy amin’ny fandrika.

Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika,

ary ny fanahinareo kosa ho velona!

19Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo,

hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo,

ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty;

sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina;

dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga.

20Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro halàko ny ondanareo,

izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy,

ka hataoko lasa manidina ireny;

hotriariko ireo ondana ireo,

hiala eo amin’ny sandrinareo,

ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho,

mba ho afa-manidina ireny.

21Hotriariko ny ondanareo;

ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako;

ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

22Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga,

nefa Izaho kosa tsy nampahory azy;

sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy,

mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;

23noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo,

na hahazo hitsak’andro intsony;

hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako,

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help