Tobia 13 - Malagasy Catholic Bible

12. I Siôna

1Dia nisoka-bava, nisaotra ny Tompo i Tobia rainy ka nanao hoe:

«Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay, ary manenika ny taona rehetra ny fanjakanao.

2Fa mamay Ianao ary mamonjy; mitondra ho any am-pasana Ianao, ary manatsoaka avy ao; ary tsy misy olona afa-mitsoaka eo an-tananao.

3Mankalazà ny Tompo, ry zanak’i Israely, ary miderà Azy eo anatrehan’ny firenena.

4Fa nanely anareo ho eo amin’ny firenena tsy mahalala azy Izy, mba hitantaranareo ny asany mahagaga, sy hampahafantaranareo azy ireo fa tsy misy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra afa-tsy Izy ihany.

5Nofaiziny isika noho ny tsy fahamarinantsika, ary hovonjeny kosa, noho ny famindram-pony.

6Diniho ange ny nitondrany antsika, ka misaora Azy amin-tahotra sy hovitra, ary manomeza voninahitra ny Mpanjakan’ny taona rehetra amin’ny asanareo.

7Raha izaho, dia tiako ny misaotra azy amin’ity tany mahababo ahy ity, satria naharihariny amin’ny firenena meloka, ny voninahiny.

8Koa mibebaha ianareo, ry mpanota, ary manaraha ny marina eo anatrehan’Andriamanitra, amim-pitokiana fa hamindra fo aminareo Izy.

9Raha izaho, dia hifaly ao aminy amin’ny foko rehetra aho.

10Misaora ny Tompo, ianareo rehetra izay vahoaka voafidy. Manaova andro fifaliana, ary mihirà fiderana Azy.

11Ry Jerosalema, tanànan’Andriamanitra, nofaizin’ny Tompo ianao noho ny asan’ny tananao.

12Omeo voninahitra ny Tompo amin’ny asa soanao, ary misaora ny Andriamanitry ny taona rehetra, mba haoriny eo aminao indray ny fitoerany masina mba haveriny eo aminao indray ny babo rehetra, dia hifaly amin’ny taona mandrakizay ianao.

13Hamirapiratra amin’ny hazavana manjopiaka ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra eto an-tany.

14Ho tonga eo aminao ny firenena avy any an-tany lavitra, hitondra fanatitra ka hitsaoka ny Tompo ao anaty mandanao, sy hihevitra ny taninao ho fitoerana masina;

15fa hiantso ilay Anarana lehibe eo afovoanao izy.

16Ho voaozona izay manamavo anao, ho voaheloka izay miteny ratsy anao, ary hotahina izay hanangana anao.

17Fa ianao kosa hifaly amin’ny zanakao, satria hohasoavina avokoa izy, sady hiangona eo amin’ny Tompo.

18Sambatra izay rehetra tia anao, sy mifaly amin’ny fiadananao.

19Ry fanahiko, misaora ny Tompo, satria nanafaka an’i Jerosalema tanànany tamin’ny fahoriany rehetra Izy, ilay Tompo Andriamanitsika.

20Ho sambatra tokoa aho, raha mba misy tamingako tavela, hahita ny famirapiratan’i Jerosalema.

21Fa harafitra amin’ny vato safira sy emeraoda ny vavahadin’i Jerosalema, ary amin’ny vato sarobidy avokoa ny mandany rehetra manodidina azy.

22Vato fotsy madio indrindra no hatao ngorodon’ny tokotaniny, ary hohiraina eny an-dalambeny ny hoe: aleloia!

23Hisaorana anie ny Tompo, nanome izany voninahitra izany ho an’i Jerosalema, Ary hanjaka eo aminy amin’ny taona mandrakizay anie Izy. Amena!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help