1Nandre an’i Jeremia nanonona izany faminaniana izany i Fasora mpisorona zanak’i Amera, izay mpitandrina ambony ny tranon’i Iaveh.
2Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny boloky hazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.
3Ny ampitso dia nasain’i Fasora notsoahana amin’ny boloky hazo i Jeremia, ka hoy i Jeremia taminy: «Tsy i Fasora intsony no iantsoan’i Iaveh anao, fa i Magôra-Misabiba.»
4Satria izao no lazain’i Iaveh:
«Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana,
ianao sy ny sakaizanao.
Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony,
ary ianao hahita maso an’izany.
I Jodà rehetra koa hatolotro
ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna,
ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo,
ary hovonoiny amin’ny sabatra.
5Hatolotro avokoa ny harena amin’ity tanàna ity,
ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra,
ary ny rakitra rehetra an’ny mpanjakan’i Jodà,
hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony;
ka hobaboiny, halainy,
hoentiny mankany Babilôna.
6Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao,
ho lasan-ko babo ianareo;
ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao;
any no handevenana anao,
dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra,
izay naminanianao lainga.»
Sombin’ireo «fiaikena» amin’ny Tompo7Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika,
Nosamborinao, ka nahery Ianao.
Zavatra fihomehezana aho isan’andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
8Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin’i Iaveh tonga
fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.
9Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...
dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin’ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho
nefa tsy nahatana azy.
10Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:
Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy, andeha hotorintsika izy!
Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,
manao andry maso ny diako:
Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.
11I Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy,
fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
12Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina,
izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an’ireo aho,
fa Ianao no nanankinako ny adiko.
13Mihirà ho an’i Iaveh, miderà an’i Iaveh,
fa manafaka ny fanahin’ny ory,
amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.
14Ho voaozona anie ny andro nahaterahako!
Tsy hotahina anie ny andro niterahan’i neny ahy!
15Ho voaozona anie ny olona nitondra teny tamin’ikaky,
sy nanao hoe: Tera-dahy ianao!
ka nahafeno hafaliana azy!
16Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna
noravan’i Iaveh, ka tsy nanenenany!
Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan’ny olon-dresy,
ary ny mitataovovonana, ny akoralavan’ny mpandresy!
17noho izy tsy namono ahy hatrany am-bohoka,
hahatonga an’i neny ho fasako,
na ho voatana ao an-kibony mandrakizay aho!
18Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony,
hahita fijaliana amam-pahoriana,
sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.