1Tamin’ny volana faha-7, andro faha-21n’ny volana, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
2Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jesosy zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
3Iza aminareo sisa velona,
no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha,
sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?
Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?
4Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela,
- teny marin’i Iaveh. -
Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe!
Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany,
- teny marin’i Iaveh, - ary miasà!
fa momba anareo Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
5Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,
fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;
ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.
6Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,
no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany,
- mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.
7Hanozongozona ny firenena rehetra Aho
ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;
ary hofenoiko voninahitra ity trano ity,
hoy i Iavehn’ny tafika.
8Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena,
- teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
9Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity,
ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;
ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana,
- teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Filàna hevitra amin’ireo mpisorona10Tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
11Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mangataha amin’ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe:
12Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. -
13Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.
14 - Dia niteny indray i Akjea nanao hoe:
Toy izany ity vahoaka ity,
toy izany ity firenena ity eo anatrehako, -
- teny marin’i Iaveh; -
toy izany ny asa rehetra ataon’ny tanany;
izay ateriny eo dia maloto.
Fampanantenana fahavokaran’ny tany15Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany;
dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa,
natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.
16Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra,
tsy nahazo afa-tsy folo;
ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana,
tsy nahazo afa-tsy roapolo.
17Nasiako tamin’ny vary maty fotsy,
sy ny ahi-dratsy aman-kavandra ianareo;
nasiako avokoa ny asan-tananareo;
nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,
- teny marin’i Iaveh. -
18Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany,
ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy,
ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh,
diniho!
19Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra?
Na ny voaloboka aza, na ny aviavy,
na ny ampongabendanitra, na ny ôliva,
tsy misy nahavokatra kely akory;
fa hatramin’izao andro izao kosa, dia hotahìko ianareo.
Fampanantenana ho an’i Zôrôbabela20Tonga fanindroany tamin’i Akjea ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro faha-24n’ny volana nanao hoe:
21Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe:
Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;
22haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana,
hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena;
hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy;
ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy
samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
23 Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika,
halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela,
ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, -
ka hataoko toy ny fanombohan-kase;
satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.