1Tenin’i Jeremia zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
2Natao taminy ny tenin’i Iaveh tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona faha-13 nanjakany;
3sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.
1. TENIN’ANDRIAMANITRA NAMELY AN’I JODÀ SY I JEROSALEMA1. Tamin’ny andron’i JosiasaNy niantsoana an’i Jeremia4Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
5«Efa fantatro talohan’ny namoronana anao
tao am-bohoka ianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao,
dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»
6Dia hoy izy:
«Indrisy, Iaveh Tompo ô,
tsy mahay miteny aho fa zaza.»
7Fa hoy Iaveh tamiko:
«Aza manao hoe: ‹Zaza aho›,
fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao,
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
8Aza manana izay tahotra akory ianao
eo anatrehan’izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao Aho,»
- teny marin’i Iaveh! -
9Dia naninjitra ny tanany i Iaveh,
ka nanendry ny vavako, ary hoy i Iaveh tamiko:
«Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
10ary indro aho anio manendry anao,
ho eo amin’ny firenena amam-panjakana,
hanongotra sy hanjera,
hamery sy handrava,
hamboly sy hanorina.»
11Dia izao no tenin’i Iaveh natao tamiko:
«Inona no hitanao, ry Jeremia?»
Ary hoy aho:
«Mahita rantsan’ny amandie aho.»
12Ka hoy i Iaveh tamiko:
«Nahita tsara ianao, fa mahatsiaro
ny teniko aho, hanatanterahako azy.»
13Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
«Inona no hitanao?»
Ary hoy aho:
«Mahita vilany mangotraka aho;
ary avy any amin’ny lafiny avaratra no iaviany.»
14Ka hoy i Iaveh tamiko:
«Avy any avaratra no hiroatan’ny loza
hanjò ny mponina rehetra amin’ny tany.
15Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra
amin’ny fanjakana any avaratra,
- teny marin’i Iaveh. -
Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany
eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema,
eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina,
ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.
16Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo Aho,
noho ny haratsiany rehetra, fa nandao Ahy izy ireo,
dia nanolotra emboka tamin’andriamani-kafa,
ary nivavaka tamin’ny asan-tanany.
17Fa ianao kosa: misikìna,
mitsangàna ary lazao aminy
izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany,
fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.
18Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahina,
eo anatrehan’ny tany rehetra,
eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà,
sy ny mpanapaka eo aminy,
eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
19Hiady aminao izy ireo,
nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,
satria momba anao Aho,
hamonjy anao Aho; - teny marin’i Iaveh.-»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.