Baròka 4 - Malagasy Catholic Bible

1Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra

sy ny lalàna maharitra mandrakizay.

Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana,

fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana.

2Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy,

ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra.

3Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao,

na ho an’ny firenen-kafa ny tombon-tsoanao.

4Sambatra isika, ry Israely ô,

fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!

IV TARAINA AMAM-PANANTENAN’I JEROSALEMA

5Matokia, ry oloko,

fahatsiarovana an’i Israely ô!

6Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena,

tsy mba ny haringana;

fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,

no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.

7Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,

tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,

fa tsy tamin’Andriamanitra.

8Nanadino an’Ilay namela anareo ianareo,

dia Andriamanitra mandrakizay,

ary nampalahelo an’Ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;

9Fa hitany miantefa aminareo

ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:

Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,

fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.

10Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;

sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.

11Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,

fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.

12Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena

sy nilaozan’ny maro be!

Efa lao aho, noho ny fahotan’ireo zanako,

satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra;

13tsy nasiany raharaha ny didiny,

tsy nandeha tamin’ny lalan’ny didin’Andriamanitra,

ary tsy nanaraka ny lalan’ny fahaiza-manaiky,

araka ny fahamarinana.

14Aoka ho avy ny mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna!

Tsarovy ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy,

izay nampiharin’ny Mandrakizay tamin’izy ireo.

15Fa nasainy tonga hamely azy ireo ny firenena avy lavitra,

firenena masiaka, manao teny barbarianina,

16tsy mahalala manaja ny anti-panahy,

na mangoraka ny ankizy madinika,

fa nifaoka ny malalan’ny mpitondratena

sady namela ahy ho irery voasaraka tamin’ny zanako vavy.

17Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo?

18Ilay nahatonga izany loza izany taminareo,

dia Izy ihany no hanafaka anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.

19Mandehana, anaka, mandehana,

fa izaho tafajanona irery!

20Nesoriko ny akanjo fitondra amin’ny andro firavoravoana,

fa ny lasàkan’ny fifonako no nitafiako;

hitaraina amin’ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako.

21Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,

ary Izy hanafaka anareo amin’ny fahefana

sy amin’ny tanan’ny fahavalonareo.

22Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo,

ka tonga amiko ny hafaliana avy amin’ilay Masina, noho ny famindram-po

hataon’ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo.

23Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana;

fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana

sy amim-piravoravoana ho mandrakizay.

24Toy ny nahitan’ireo mifanolo-bodirindrina

amin’ny Siôna ny fahababoanareo

no hahitanay faingana ny famonjena anareo, amin’Andriamanitra,

izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe,

sy amin-daza mamirapiratra ho an’ilay Mandrakizay.

25Anaka, lefero amim-pahendrena ny fahatezeran’Andriamanitra tonga aminareo.

Ny fahavalonareo nanenjika anareo;

fa vetivety dia ianareo kosa indray no hahita ny faharavàny,

sy hanitsaka ny hatony, amin’ny tongotrareo.

26Nandia lalana maraorao ny zanako malemilemy indrindra;

notsoahana toy ny andian’ondry norobain’ny fahavalo izy ireo.

27Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo;

fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.

28Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra

no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny

rehefa tafaverina aminy ianareo.

29Satria ilay nahatonga loza taminareo,

dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa

amin’ny famonjena anareo.

30Matokia, ry Jerosalema,

fa hampionona anao Ilay nanome anao ny Anarany.

31Loza ho an’izay nanisy ratsy anao,

sy nifaly tamin’ny fahavalonao!

32Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanako!

Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo!

33Toy ny nifaliany tamin’ny faharavanao,

sy nihobiany tamin’ny fahalavoanao,

no halahelovany amin’ny faharinganany.

34Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan’ny mponina ao aminy,

dia hiova ho fisaonana ny reharehany.

35Hisy afo avy amin’ilay Mandrakizay, ho tonga aminy

ho amin’ny andro lava,

ary mandritra ny andro ela

dia ho fonenan’ny fanahy ratsy izy.

36Mijere miantsinanana, ry Jerosalema,

ka jereo ity hafaliana tonga aminao, avy amin’Andriamanitra.

37Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha,

tonga izy, tafavory hatrany atsinanana ka hatrany andrefana

amin’ny feon’Ilay Masina,

miravoravo amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help