2Tantara 14 - Malagasy Catholic Bible

1Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny i Asà. Nandrava ny ôtelin’ny olona hafa firenena sy ny fitoerana avo izy,

2ary nanorotoro ny tsangam-bato sy ny aserah.

3Nandidy an’i Jodà mba hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy izy.

4Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, ka dia nandry feizay ny fanjakana teo anatrehany.

5Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.

6Izao no nolazainy tamin’i Jodà: «Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an’i Iaveh Andriamanitsika isika; nitady Azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin’ny manodidina rehetra.» Dia nanorina izy ireo ka nahefa.

7Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.

Fanafihan’i Zarà

8Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.

9Dia nivoaka hiady aminy i Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefatà akaikin’i Maresà izy.

10Niantso an’i Iaveh Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: «Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa Ianao no iankinanay, ary amin’ny Anaranao no nandrosoanay hiady amin’ireto vahoaka be ireto, Ianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza maharesy Anao anie ny olona!»

11Dia nasian’i Iaveh teo anoloan’i Asà sy i Jodà, ny Etiôpianina.

12Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.

13Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.

14Nasiany koa ny lay, nisy ny biby fiompiny, ka nahazoany ondry be tokoa mbamin-drameva, dia niverina ho any Jerosalema izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help