Izaia 24 - Malagasy Catholic Bible

4 - APOKALIPSAFitsarana

1Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo

sy hanavitsy ny mponina aminy,

ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.

2Ary ho sahala ihany

no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka,

ny tompo sy ny mpanompo,

ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy,

ny mpivarotra sy ny mpividy,

ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.

3Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany,

fa izany no teny notononin’i Iaveh.

4Ny tany misaona sy majifa;

izao tontolo izao, milofika sy majifa;

ny nalaza indrindra amin’ny mponina eto an-tany milofika.

5Voatolon’ny mponina aminy, ny tany,

satria izy ireo nandika ny lalàna,

nivadika tamin’ny didy,

nandrava ny fanekena mandrakizay.

6Noho izany ny tany levon’ny ozona;

ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony;

ka dia levona ny mponina amin’ny tany,

fa vitsy ny isan’ny olona tavela.

Ho rava ny tanàna

7Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika;

ireo nifaly am-po rehetra misento.

8Nitsahatra ny feon’ampongatapaka falifaly,

tapaka ny fety be horakoraka,

nitsahatra ny feon-dokanga falifaly.

9Tsy misy misotro divay intsony ny olona

eo am-pihainoan-kira;

ary mangidy amin’ny mpisotro azy,

ny fisotro mahamamo.

10Rava ny tanàna fikorontanana;

mirindrina tsy azo idirana, ny trano rehetra.

11Mihorakoraka eny an-dalambe ny olona,

fa tsy misy ny divay;

lasa tsy eo intsony ny hafaliany rehetra;

foana niala tamin’ny tany ny firavoravoana.

12Korontan-javatra foana sisa, eo an-tanàna;

ary ny vavahady montsamontsana dia efa ravarava.

13Fa ny hanjò ny eo afovoan’ny tany

eo amin’ny firenena,

dia tahaka ny amin’ny fikapohana ôliva,

tahaka ny amin’ny fitsimponam-boaloboka,

aorian’ny fitoazana azy.

14Izay ireo manandratra ny feony, dia mihira;

mihoby, eny amin’ny ranomasina, ny voninahitr’i Iaveh hoe:

15«Miderà an’i Iaveh, ianareo, any amin’ny tany atsinanana,

dia ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely,

any amin’ny nosy any andrefana.»

16Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe:

«Voninahitra ho an’ny marina!» -

Fa hoy aho: «Maty aho!

Maty aho, loza ho ahy!

Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»

17Fampitahorana sy longoa amam-pandrika

no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany.

18Izay mandositra noho ny antso mampatahotra ho latsaka an-davaka,

ary izay miakatra avy ao afovoan’ny longoa ho voan’ny fandrika.

Tohin’ny tononkalo momba-ny fitsarana

Fa ny vavahadin-drano ambony, mivoha;

ary ny fanorenan’ny tany, mihozongozona.

19Mitresaka mafy dia mafy ny tany;

mipoaka mikotrokotroka ny tany;

mihozongozona mafy ny tany;

20mivembena, hoatra ny olona mamo ny tany;

mitsingevingevina, hoatra ny fandriana mihantona izy;

mitambesatra aminy ny tsy fahamarinany;

mirodana tsy ho tafarina intsony izy.

21Amin’izany andro izany i Iaveh hisava

any ambony ny tafika any ambony,

ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany.

22Dia hatambatra efa voababo eny amin’ny hantsana

sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo,

ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy.

23Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika,

fa i Iavehn’ny tafika hanjaka

ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema,

ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help