Izaia 54 - Malagasy Catholic Bible

Ho maro anaka i Jerosalema

1Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka;

mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe,

ry tsy nihetsi-jaza;

fa ny zanak’ilay nariana no maro,

noho ny zanak’izay manam-bady, hoy i Iaveh.

2Halalaho ny itoeran’ny lay,

velaro ny ambaim-ponenanao,

aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao,

ary aoreno mafy ny tsima-day!

3Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao;

ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao;

ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.

Fitiavan’i Iaveh

4Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao;

aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao;

fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao;

ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso,

fony mpitondratena.

5Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao;

I Iavehn’ny tafika no Anarany,

ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely,

Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.

6Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana,

no ampodian’i Iaveh anao,

hoatra ny vadin’ny fahatanoranao efa nisaorana;

hoy ny Andriamanitrao.

7Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,

fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.

8Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako

vetivety ny Tavako taminao,

fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,

hoy i Iaveh Mpanavotra anao.

9Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,

nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe

tsy hiely intsony amin’ny tany:

toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao

na handrahona anao intsony Aho.

10Na dia hihataka aza ny tendrombohitra,

ka hihozongozona ny havoana,

ny fitiavako tsy mba hiala aminao,

ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,

hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao. Ilay Jerosalema vaovao

11Ry Ikala ory, afotofoton’ny tafio-drivotra,

tsy manam-piononana ô;

indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina,

sy hanorina anao eo ambonin’ny safira;

12hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao,

eskarbokla ny vavahadinao,

ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.

13Ho mpianatr’i Iaveh avokoa ny zanakao rehetra,

ary ho be fiadanana ny zanakao.

14Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao;

aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana,

fa tsy manan-katahorana ianao;

ho lavitra anao anie ny fampahatahorana,

fa tsy hanakaiky anao izany.

15Raha misy miara-mioko, tsy ho avy amiko izany;

fa iza no miara-mioko hamely anao?

Ho lavo eo anoloanao izy.

16Indro fa Izaho no nahary ny mpanefy,

izay mifofotra ny arina mivaivay,

ka manatsoaka ny fiadiana hamboariny avy ao,

ary Izaho no nahary ny mpandrava mba handringana.

17Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany,

ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. -

Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh;

izany no fahamarinana ho azony avy amiko.

- Teny marin’i Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help