Hebrio 2 - Malagasy Catholic Bible

Famporisihana

1Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.

2Fa raha ny teny nampilazaina ny Anjely aza, nanan-kery ka nahazoan’izay rehetra nandika sy tsy nanaiky sazy tandrify azy avy,

3hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,

4sady Andriamanitra koa efa nankatò Azy tamin’ny famantarana sy fahagagana, ary tamin’ny asa lehibe samihafa mbamin’ny fanomezana nozarazarain’ny Fanahy Masina araka ny sitrapony?

Ny Mpanavotra: i Kristy fa tsy ny Anjely

5Eny tokoa, tsy mba Anjely no nametrahan’Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainay izao.

6Fa amin’ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak’olombelona no amangianao Azy?

7Nataonao ambany vetivety noho ny Anjely Izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin’ny asan-tananao,

8ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra. Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny Izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra;

9fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.

10Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.

11Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe havana, araka ny teniny hoe:

12Hitory ny Anaranao amin’ny havako Aho, hankalaza Anao eo afovoan’ny Eglizy Aho;

13sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty Aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy.

14Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,

15sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana.

16Na aiza na aiza tsy mba Anjely no vonjeny, fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny.

17Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;

18fa noho ny Tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help