1Teny mamely ny taranak’i Amôna.
Izao no lazain’i Iaveh:
Tsy manan-taranaka va i Israely?
Tsy manan-kandova va izy?
Ahoana no nangalan’i Melkoma an’i Gada ho azy,
sy nakan’ny vahoakany fonenana eo amin’ny tanànany?
2Noho izany, indro avy ny andro,
- teny marin’i Iaveh, -
hampikotrokotrohako ao Rabàn’ny taranak’i Amôna
ny akoran’ady.
Dia hanjary antontan-java-drava izy,
ary ny zanany hodorana amin’ny afo;
ary i Israely kosa handova ny an’ireo efa nandova ny azy,
- teny marin’i Iaveh. -
3Migogogogoa, ry Hesebona, fa voaroba i Hai;
Midradradradrà, ry zanaka vavin’i Rabah,
misikìna lasàka, migogogogoa;
mivoivoiza manaraka ny fefy;
fa nentin-ko sesitany i Melkôma,
mbamin’ny mpisorony ama-mpanapaka miaraka aminy koa.
4Ahoana ny ireharehanao amin’izay lohasahanao,
- mahavokatra be hoe ny lohasahanao, -
ry zanaka vavy mpiodina,
izay mitoky amin’ny harenao, manao hoe:
«Zovy moa no sahy handroso hamely Ahy?»
5Indro Aho mitondra ny tahotra hamely anao;
- tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika,-
avy amin’izay rehetra manodidina anao;
ka samy horoahina hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo,
sady tsy hisy hamory izay mandositra akory.
6Rehefa afaka anefa izany, mbola hampodiko
ny voababo amin’ny taranak’i Amôna,
- teny marin’i Iaveh. -
7Teny mamely an’i Edôma.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna?
Lany hevitra va ireo mahira-tsaina?
Efa levona va ny fahendren’izy ireo?
8Mandosira, miverena ilalana, mifitsaha ianareo,
ry mponina any Dedana,
fa hahatonga fandravana amin’i Esao Aho,
amin’ny andro hamangiako azy.
9Raha mpioty voaloboka no tonga aminao,
tsy mamela hotsimponina izy, na dia kely aza;
raha mpangalatra tonga alina kosa,
mandroba izy, mandra-pahafa-pony.
10Fa Izaho no nampiboridana an’i Esao,
sy nampiharihary ny fiereny,
ka tsy afa-miery intsony izy.
Ringana avokoa ny taranany, ny rahalahiny,
ny mifanakaiky aminy,
ka tsy misy intsony izy.
11Ilaozy ny kambotinao, fa Izaho no hamelona azy,
ary Izaho no aoka hitokian’ny mpitondra tena ao aminao.
12Satria izao no lazain’i Iaveh:
Indro, fa izay tsy tokony hisotro amin’ity kapoaka ity
dia hisotro marina tokoa;
ka ianao kosa ve ho afa-potsiny?
Tsia, tsy ho afa-potsiny ianao,
fa hisotro azy marina tokoa!
13Satria, izao no efa nianianako tamin’ny Tenako,
- teny marin’i Iaveh: -
I Bôsrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa,
ho tany efitra sady voaozona;
ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.
14Nahazo filazana avy amin’i Iaveh aho,
sady nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hanao hoe:
«Mivoria ianareo, ary mandehana mamely azy,
mitsangàna ianareo mba hiady!»
15Fa efa nataoko kely bitika ianao eo amin’ny firenena,
ataon’ny olona tsy ho zavatra.
16Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona
sy ny hambom-ponao,
ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato,
sady mitoetra eny an-tampon-kavoana.
Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao,
dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.-
17Ho zary fitalanjonana i Edôma:
Ho talanjona avokoa ny mpandalo,
sady hisitrìsitra, mahita ny feriny rehetra.
18Hanahaka ny nandravana an’i Sôdôma sy i Gômôra
mbamin’ireo tanàna nanodidina azy izy, hoy i Iaveh;
ka tsy hisy olona monina ao,
na hisy zanak’olombelona hipetraka ao.
19Indro izy, miakatra sahala amin’ny liona
avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva;
ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma,
dia ilay voafidiko no hapetrako ao.
Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy?
ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?
20Ka henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh
hamelezana an’i Edôma,
sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny mponina any Temàna:
eny, hotaritarihina hoatra ny ondry malemy izy;
eny, hitanàka mihitsy ny taniny fiandrasana biby fiompy.
21Mihorohoro ny tany, azon’ny fiezinezin’ny fianjerany,
re hatrany amin’ny Ranomasina Mena ny feony miantsoantso.
22Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery;
mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà;
ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma,
amin’izany andro izany,
dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
Tenin’Andriamanitra mamely tanàna maromaro any Siria(Jereo Iz 17,1-3; Am 1,3-5)23Teny mamely an’i Damasa.
Very hevitra i Hamata sy i Arfada,
fa nandre filazàn-doza izy,
ka nivarahontsaky ny tahotra,
mova tsy ny ranomasina
misamboaravoara tsy mety mitony.
24Ketraka i Damasa ka nihodina handositra;
azon’ny vadi-po izy;
ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy,
tahaka ny vehivavy raha miteraka.
25Zary haolo manao ahoana re ilay tanàna be voninahitra
ilay tanànam-pahafinaretana sy fifaliana.
26Koa ho lavo eny amin’ny kianjany ny zatovony,
mbamin’ny miaramilany rehetra,
fa ho faty amin’izany andro izany izy ireo,
- teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
27Handrendrika afo ao anatin’ny mandan’i Damasa Aho,
ka handevona ny lapan’i Bena-Hadada izany.
Tenin’Andriamanitra mamely ireo foko arabo(Jereo Jer 25,23-24; Iz 21,13-16)28Teny mamely an’i Sedara sy ireo fanjakan’i Hasora, izay nasian’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.
Izao no lazain’i Iaveh:
Mitsangàna, mandehana mamely an’i Sedara,
aringano ny taranaky ny Atsinanana!
29Aoka halaina ny lainy sy ny biby fiompiny!
hoesorina aminy ny ambain-dainy,
mbamin’ny entany rehetra sy ny ramevany!
ary aoka hisy hiantsoantso aminy hoe:
«Misy fangorohoroana hatraiza hatraiza!»
30Manavota aina ianareo,
mandosira araka izay tratry ny ainareo, mamitsaha,
ry mponina any Hasora! - teny marin’i Iaveh. -
Fa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna,
namoron-kevitra hamelezana anareo,
nanao fikasana hamelezana anareo,
31«Mitsangàna, mandehana mamely firenena tsy manana ahiahy,
mandry feizay eo amin’ny fonenany,
- teny marin’i Iaveh, -
dia izay tsy manam-bavahady, na hidy, izay mitoka-monina.
32Ny ramevany ho babonareo,
ny biby fiompiny, iray dia marenina, ho remby.»
Haeliko any amin’ny rivotra rehetra
ireo olona mihety fihirifana ireo,
ary hahatonga fandravana azy avy hatraiza hatraiza Aho,
- teny marin’i Iaveh. -
33Ka dia ho zary fieren’amboadia i Hasora,
sy ho tany lao mandrakizay;
tsy hisy olona monina ao,
tsy hisy zanak’olombelona hipetraka ao akory.
Tenin’Andriamanitra mamely an’i Elama
34Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Elama, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:
35Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Indro fa andeha hotapahiko ny tsipìkan’i Elama,
izay fototry ny heriny.
36Hitondra rivotra efatra ho amin’i Elama Aho,
avy amin’ny lafiny efatry ny lanitra,
dia haeliko amin’ireo rivotra rehetra ireo izy;
ka tsy hisy firenena
tsy ho tongan’ny mpandositra avy ao Elama.
37Hampangovitra an’i Elama eo anoloan’ny fahavalony Aho,
sy eo anoloan’izay mitady ny ainy.
Hahatonga loza aminy Aho,
dia ny afon’ny fahatezerako mirehitra, -
teny marin’i Iaveh. -
Ary handefa sabatra eo aorian’izy ireo Aho,
mandra-pandringako azy.
38Hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako,
ka haripako avokoa, na mpanjaka na mpanapaka ao,
- teny marin’i Iaveh. -
39Nefa any amin’ny farandro any,
hampodiko ny voababo tamin’i Elama,
- teny marin’i Iaveh. -
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.