1Tamin’izany andro izany nangonin’ny Filistinina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin’i Israely. Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby ianao sy ny olonao».
2Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akisa: «Koa ho hitanao ny hafitsoky ny mpanomponao». Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Ary izaho kosa hanangana anao ho mpiambina ny tenako mandrakizay».
I Saola sy ilay vehivavy mpamoha angatra tao Endôra3Efa maty i Samoela ka nitomanian’i Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin’ny tanànany. Ary efa noroahin’i Saola hiala amin’ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.
4Nony tafangona ny Filistinina dia tonga nitoby tao Sonama; ary i Israely rehetra novorin’i Saola ka nitoby tao Jelbôe.
5Raiki-tahotra sy nivadi-po mafy i Saola, nony nahita ity tobin’ny Filistinina.
6Nanontany an’i Iaveh i Saola, nefa tsy namaly azy i Iaveh, na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany.
7Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôra misy vehivavy mpamoha angatra».
8Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa i Saola, ka niainga narahin’olona roa lahy. Alina no tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo ka hoy i Saola taminy:
«Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin’ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankatỳ amiko izay hotononiko aminao».
9Fa namaly azy ravehivavy: «Indro fa fantatrao ihany ny nataon’i Saola, dia ny nandroahany hiala amin’ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana ianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko?»
10Nianiana taminy, tamin’i Iaveh, i Saola nanao hoe: «Marina fa velona i Iaveh. Koa tsy hampidi-doza aminao akory izao zavatra izao».
11Dia hoy ravehivavy: «Iza àry no asaiko miakatra mankatỳ aminao?» Ka hoy ny navaliny: «I Samoela no asaovy miakatra mankatỳ amiko».
12Vao nahita an’i Samoela ravehivavy dia nidradradradra mafy, ary hoy ravehivavy tamin’i Saola hoe: «Ahoana no namitahanao ahy? Ianao no Saola».
13Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Aza matahotra; fa inona no hitanao?» Dia hoy ravehivavy tamin’i Saola: «Andriamanitra miakatra avy amin’ny tany no hitako.»
14Ka hoy izy taminy: «Manao ahoana ny endriny?» Ary hoy ny navaliny: «anti-dahy io miakatra io, ary mihodidina amin’ny kapaoty izy.» Fantatr’i Saola fa i Samoela izay, ka tafaondrika tamin’ny tany terỳ izy, dia niankohoka.
15Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Ahoana no manabataba ahy ianao amin’ny fampiakarana ahy?» Dia namaly i Saola nanao hoe: «Poritra loatra aho: ny Filistinina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy Izy, na tamin’ny mpaminany, na tamin’ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy ataoko.»
16Ary hoy i Samoela: «Ahoana no anontanianao ahy, nefa i Iaveh efa nihataka taminao, sy efa tonga fahavalonao?
17Nataon’i Iaveh izao araka izay efa nolazainy rahateo tamin’ny alalako; efa notsoahan’i Iaveh teo am-pelatananao ny fanjakana, ka nomeny ny namanao, dia i Davida.
18Satria tsy nihaino ny feon’i Iaveh ianao, fa tsy nanao tamin’i Amaleka araka ny firehitry ny hatezerany; ka izany no nanaovan’i Iaveh toy izao taminao androany.
19Mainka hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina aza i Israely sy ianao. Rahampitso ianao sy ny zanakao dia ho any amiko, ary ny tobin’i Israely hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina.»
20Dia lavo nitsingidina tamin’ny tany, niaraka tamin’izay, i Saola; fa ny tenin’i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, satria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra.
21Nankeo amin’i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izay tsizy, ka dia nanao taminy hoe: «Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin’ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.
22Koa ankehitriny, mba henoy kosa ny tenin’ny ankizivavinao: aoka mba horosoako sombi-mofo kely ianao; mihinàna amin’izany hahazoanao tanjaka ho eny amin’ny dia hotohizanao.»
23Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: «Tsy hihinana aho.» Nanery azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan’izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin’ny tany, dia nipetraka tamin’ny saofà izy.
24Nanan-janak’omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay.
25Ary narosony teo anoloan’i Saola sy teo anoloan’ny mpanompony ireo, ka dia nihinana izy ireo. Izay vao nitsangana izy ireo, ka lasa iny alina iny ihany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.