Izaia 19 - Malagasy Catholic Bible

Teny famelezana an’i Ejipta(Jereo Jer 46; Ezek 29–32)

1Faminaniana ny amin’i Ejipta.

Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana

miditra any Ejipta.

Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany,

ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.

2Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i Ejipta Aho,

ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy,

ary ny sakaiza amin’ny sakaiza,

ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.

3Ny fanahin’i Ejipta ho foana ao anatiny;

ary ny fisainany hataoko very;

hanontaniany ny mpimasy ama-mpanao fankatoavana,

mbamin’ny mpamoha angatra ama-mpisikidy.

4Hatolotro ho an-tanan’ny tompo lozabe i Ejipta

ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy,

- teny ton’i Iavehn’ny tafika.

5Ny rano amin’ny ranomasina ho ritra;

ny ony ho tankina sy ho maina;

6Ny renirano hanjary maimbo,

ny lahin-dranon’i Ejipta hihena dia ho maina;

ny zozoro amam-bolotara halazo.

7Ny tanim-bilona manaraka an’i Nila ao amoron’i Nila,

ny saha voafafy rehetra manaraka an’i Nila:

ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.

8Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo,

dia ny mpamintana rehetra, eo an’ony;

ny mpandatsaka harato eo ambonin’ny rano hivaranhotsaka.

9Ry zareo miasa ny rongony madinika voaraotra,

sy ry zareo manenona ny landihazo, hiraviravy tanana.

10Ireo andrin’i Ejipta ho torotoro,

ary ny manao taozavatra ho rera-po avokoa.

11Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana;

ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna

dia hadalana ny toroheviny.

Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe:

Zanak’olon-kendry aho,

taranak’andriana fahagola aho?

12Aiza moa izay olon-kendrinao?

ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinanîny

izay nodidian’i Iavehn’ny tafika hanjò an’i Ejipta!

13Ny mpanapaka an’i Tanisy efa very saina;

ny mpanapaka an’i Memfisy efa voafitaka,

ny tenan’izy ireo, vato fehizoron’ny karazam-pokon’i Ejipta no nandrebireby azy.

14Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy,

ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra,

mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!

15Ary tsy misy hahasoa an’i Ejipta,

amin’izay rehetra mety ho vitan’ny loha na ny rambo,

ny antrendry na ny zozoro.

Fibebahan’i Ejipta sy i Asiria

16Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy;

ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra,

mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana,

izay aingainy hamelezana azy.

17Ary ny tanin’i Jodà,

hahatahotra mafy an’i Ejipta:

hangovitra izy, isaky ny misy olona hampahatsiaro azy izany anarana izany

noho ny didin’i Iavehn’ny tafika,

izay navoakany hamelezany azy.

18Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy,

any amin’ny tany Ejipta,

izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna

sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika;

ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.

19Amin’izany andro izany hisy ôtely ho an’i Iaveh,

eo afovoan’ny tany Ejipta.

Ary eo amin’ny sisin-taniny, hisy tsangam-bato ho an’i Iaveh.

20Ary ho famantarana ho an’i Iavehn’ny tafika izany,

sy ho vavolombelona eo amin’ny tany Ejipta;

ka rehefa hitaraina amin’i Iaveh izy ireo,

noho ny mpampahory azy,

dia haniraka mpamonjy izy,

sy mpiaro mahery hanafaka azy.

21Hanao izay hahafantaran’i Ejipta azy i Iaveh,

ka hahalala an’i Iaveh i Ejipta

amin’izany andro izany,

hanao sorona amam-panatitra izy ireo,

hivoady amin’i Iaveh sy hanefa izany.

22Hikapoka an’i Ejipta i Iaveh,

sady hikapoka no hanasitrana!

Hibebaka amin’i Iaveh izy ireo,

ka hety hionona amin’ny fifonany izy, dia hanasitrana azy.

23Amin’izany andro izany hisy lalana

avy any Ejipta mankany Asiria;

ka ny Asirianina ho tonga ao Ejipta,

ny Ejiptianina ho any Asiria,

dia hanompo an’i Iaveh i Ejipta miaraka amin’i Asora. -

24Amin’izany andro izany i Israely hikambana

amin’i Ejipta sy i Asiria, izy no fahatelony,

mba ho fitahiana eo amin’ny tany.

25Hitahy azy ireo i Iavehn’ny tafika hanao hoe:

«Hotahina anie i Ejipta, vahoakako,

sy i Asora, asan’ny tanako,

ary i Israely lovako.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help