1Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia mividiana vary, ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola,
na takalo, hividy divay sy ronono.
2Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo.
Fanekem-pihavananaAry hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
4Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena;
ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
5Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao,
ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo eo aminao,
noho ny amin’i Iaveh Andriamanitrao,
sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.
Akaiky i Iaveh fa lehibe6Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
7aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka amin’ny heviny;
ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo;
dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
8Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo, tsy mba lalako.
- Teny marin’i Iaveh. -
9Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany,
no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo,
sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Mandaitra ny Tenin’i Iaveh10Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka
avy any an-danitra ka tsy miverina any,
raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an’ny mpihinana;
11toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako,
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.
Famaranana ny boky12Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo,
ary hoentina amim-piadanana;
amin’ny fahitana anananareo,
ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana,
ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
13Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo,
ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery.
Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany,
ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.